Fianakaviam-piteny tay-kaday
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fiteny tay-kaday dia fianakaviam-piteny izay nantsoina hoe fiteny daîka tany aloha, izay ahitana fiteny miisa zato any ho any izay tenenina ao amin' ny saikanosin' i Indôsina sy any amin' ny faritra atsimo ao Sina ary tetenin' ny olona miisa 100 000 000 any ho any.
Taloha, ireo fiteny tay-kaday dia nosokajina ho isan' ny fianakaviam-piteny sino-tobetàna, nefa tsy ny voambolana fototra no nanorenana izany fanasokajiana izany fa ny fisian' ny voanteny nifampindramana. Misy koa ireo mpahay teny izay te hampifanatona ny fiteny tay-kaday amin' ny fiteny aostrôneziana noho ny fahitana mpisolo, anaran' ny isa, anaran' ny fizaràn' ny vatana izay mitovy amin' ny an'ny fiteny aostrôneziana, nefa voanteny nifampindramana koa izany.