Fiteny malay
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fiteny malay na fiteny maley dia fiteny aostrônezianina izay tenim-pirenen' i Malaizia sy i Indônezia ary i Broney. Anisan' ny fiteny ôfisialin' i Singaporo ihany koa ilay fiteny na dia tsy fiteny iombonana intsony aza. 40 tapitrisa ny isan' ny olona mahay miteny maley, izay hita eo amin' ny manodidina ny andilan-dranomasin' i Malacca sy ny morontsiraky ny nosy Bôrneô ary ny faritra atsinanana ao Somatra. Noho ny sata ôfisialiny dia mahery ny 200 tapitrisa ny isan' ny olona mahay miteny maley (raha isaina ao anatin' izay ireo olona mahay miteny indônezianina).
Malay Bahasa Melayu | |
Isan'ny mpiteny | 25 tapitrisa (ao Malaizia) 250 tapitrisa (raha atambatra amin'ny fiteny indonezianina) |
Faritany | Boroney Indonezia Malaizia Filipina Singapaoro Atsimon'i Tailandy |
Sata | Teny ofisialy any Malaizia, Singapaoro ary Indonezia |