Fivavahana aty Afrika
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fivavahana aty Afrika dia maro isan-karazany izay efa nisy hatry ny Andro Taloha sady nisy fiantraikany teo amin' ny kolontsaina sy ny filôzôfia. Tafaorina aty Afrika tamin' ny taonjato voalohany ny fivavahana kristiana, indrindra tao Afrika Avaratra nofehezin' ny Rômana, ka tsy namela toerana ho an' ny silamo izany raha tsy tamin' ny taonjato faha-7. Ny silamo dia niorina tamin' ny morontsiraka atsinanan' i Afrika sy tao amin' ny tapany avaratr' ity kôntinenta ity, ary tamin' ny morony avaratry ny faritra atsimon' i Saharà. Hatramin' ny fiantombohan' ny taonjato faha-21 dia mitana anjara toerana lehibe aty Afrika atsimon' i Saharà ny fivavahan-drazana afrikana.
Tamin' ny fiantombohan' ny taonjato faha-21 dia ny kristianisma sy ny silamo no fivavahana lehibe indrindra aty Afrika. Manjaka manerana an' i Afrika Avaratra ny silamo, ary saika manjaka tokana ao Afrika Andrefana (izay ahitana koa ny animisma), ary ampahany ao Afrika Afovoany (any Tsady) ary ahitana Miozolmàna vitsy ny aty Afrika tapany Atsimo. Ny kristianisma kosa dia hita aty Afrika tapany Atsimo ary saika manerana an' i Afrika Afovoany sy Afrika Atsinanana. Ny fivavahan-drazana afrikana kosa dia mahalana no manjaka ao amin' ny firenena iray nefa hita manerana an' i Afrika atsimon' i Saharà, ka miara-misy amin' ny kristianisma sy ny silamo sady matetika miteraka fifangaroam-pivavahana. Vitsy mpanaraka ny fivavahana hafa, ankoatry ny ao amin' ny faritra Maskareina izay ahitana mpino hindoa tsy azo tsinontsinoavina.