Gabriela (anjely)
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Gabriela na Gabriely dia anjely manana ny maha izy azy ao amin’ny fivavahana sy ny lovantsofina jiosy sy kristiana ary silamo. Iray amin’ireo anjely lehibe na arikanjely sahala amin’i Mikaela sy i Rafaela ary i Oriela izy. I Gabriela dia anjely mpampita hafatra izay milaza ny sitrapon’ Andriamanitra amin’ ny olombelona.