Kaominina eto Madagasikara
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny kaominina eto Madagasikara no vondrom-paritra itsinjaram-pahefana fototra natsangana tamin' ny fiandohan' ny Repoblika Fahatelo teto Madagasikara araka ny Lalàmpanorenana tamin' ny 18 Septambra 1992 izay mbola nohamafisin' ny Lalàmpanorenana tamin' ny taona 2010. Ny isa, ny fari-piadidiana, ny anarana ary ny renivohitra amin' ireo vondrom-paritra samihafa, anisan' izany ny kaominina, dia faritan' ny Lalàna 94-001 tamin' ny 26 Avrily 1995. Ny mandrafitra io ambaratonga io dia ny filankevitra (filankevitra monisipaly ho an' ny kaominina an-drenivohitra na filankevitra kaominaly ho an' ny kaominina ambanivohitra) sy ny birao mpanatanteraka. Tamin' ny taona 2015 dia niisa 1 693 ny kaominina eto Madagasikara, izay voasokajy ho ambonivohitra sy ambanivohitra.