Kirôsy Lehibe
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Kirôsy Lehibe, izay atao hoe Kirôsy II, dia mpanjakan' i Persia tamin' ny taona 559 hatramin' ny taona 530 tal. J.K., teraka tamin' ny taona 590 tal. J.K. ary maty ny taona 529 tal. J.K. I Kambisesy I no rainy. Ny vadiny dia i Kasandana. Ny zanany dia i Bardia, i Atosa, i Artistôna, i Rôksane ary i Kambisesy II. Izy no nanorina ny Empira Persiana izay nandimby ny Fanjakana Medianita (na Meda). Avy amin' ny teny persiana tranainy hoe Kûrash izay midika hoe "masoandro" io anarany io. Atao hoe Sirôsy Lehibe na Sirôsy II koa izy amin' ny teny malagasy notakarina avy amin' ny fanononana frantsay.
Kirosy Lehibe | |||
Ankapobeny | |||
Anarana | Kirosy Lehibe | ||
Teraka | 590 tal. J.K. | ||
Maty | 529 tal. J.K. | ||
Fiaviana sy ny andraikitra | |||
Asa : | Tsy fantatra | ||
Fiainana manokana | |||
Isan' ny tarana-manjakan' ny Akemenida (na Asemenida) izy. Fanafihana sy famaboan-tany etsy sy eroa tsy nisy toa azy no nanamarika ny fotoana nanjakany: rehefa avy nampanaiky ny fanapahany ny Mediana (na Meda) izy dia nanjaka koa tamin' ny Fanjakan' i Lidia sy ny tanàn-dehibe grika tao Iônia, avy eo tamin' ny Empira Babilôniana vaovao (isan' izany i Mesôpôtamia, i Siria, ireo tanan-dehibe foinikiana ary i Jodea). Maty nandritra ny ady nifanaovany tamin' ny Masageta (grika: Μασσαγέται / Massagetai) i Kirôsy Lehibe. Ny fanjakàny dia nanova ny tantaran' izao tontolo izao tamin' ny Andro Taloha.