Mediana (vahoaka)
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Mediana na Meda dia vahoaka nonina tao avaratra-andrefan' i Iràna ankehitriny, mpifanolo-bodirindrina amin' ny Persiana (na Persa). Nivavaka amin' andriamanitra maro ny Mediana ary ny mpisorona dia nivondrona amin' ny antoko atao hoe magy na majy.
I Media dia faritra tranainy tany Azia any avaratra-andrefana amin' i Irana ankehitriny. Ny Mediana sy ny Persiana mpifanolo-bodirindrina aminy dia niteny fiteny indô-Iraniana akaikin' ny fiteny persiana taloha. Tsy dia fantatra loatra ny momba ny kolontsaina mediana.