Milionera
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny milionera dia izay olona manana sanda afa-karatsaka (vola, trano, orinasa, petrabola, sns) na ventim-bola antapitrisany farafakeliny, matetika dolara amerikana na euro. Mety koa hoe manana kaontim-bola na tahirim-bola antapitrisany any amin’ny banky ity olona ity. Araka ny vetim-bola, mitondra voninahitra na haja ny maha-milionera, ary ny tanjon’ny olona sasantsasany dia ny ho lasa milionera, izay tanjona tsy hotratran’ny hafa.[1] Ankehitriny, mitombo ny isan’ny milionera satria mandroso ny toe-karena ankapobe sy nitombo ny harin-karena. Ny fahefa-mividin’ny iray tapitrisa dolara amerikana tamin’ny taona 1959 dia mitovy amin’ny 7,3 tapitrisa tamin’ny taona 2009.[2] Tsy izay ihany, ny teny milionera manoritra hoe ny fananam-bola be. Leonard Beeghley, izay sosiology amerikana, dia mamaritra ireo tokantrano manana sanda afa-karatsaka mihoatra ny iray tapitrisa dolara ireo hoe “mpanankarena”. Tamin’ny taona 2008, nisy olona 10 tapitrisa avy amin’izao tontolo izao voasokajy hoe milionera amin’ny dolara amerikana.[3]