Mpaminanin' ny silamo
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny mpaminanin' ny silamo dia olona notendren' Andriamanitra hitondra ny hafany momba ny maha tokana an' Andriamanitra sy ny finoana Andriamatra tokana araka ny efa ninoan' i Adama izany. Manavaka ny atao hoe mpaminany (نبی / nabī amin' ny teny arabo) amin' ny atao hoe mpitondra hafatra na iraka (رسول / rasūl) anefa ny silamo. Ny mpaminany iray dia mety ho irak' Andriamanitra (rasûl Allah) koa.
Anisan' ny mpaminanin' ny silamo ireo patriarka roa ambin' ny folo ao amin' ny Baiboly hebreo sy ny olona hafa manana ny maha izy azy hafa ary i Mohamady (izay atao hoe "tombokasen' ny mpaminany"). Miisa 25 ny mpaminany resahina ao amin' ny Kor'any. Araka ny Kor'any dia i Adama (آدم / Âdam) no mpaminany voalohany. Ny lehibe indrindra, ankoatr' i Mohamady, dia i Nôa (نوح / Nûh), i Abrahama (إبراهيم / Ibrâhîm), i Davida (داوود, / Dâwûd), i Sôlômôna (سُلَيْمان, / Sulaymân) ary i Jesoa (عِيسى /ʿIsâ).
Misy karazany roa ny mpaminanin' ny silamo raha ny fiaviany no heverina, dia ny mpaminany hebreo sy ny mpaminany arabo.