Ozbeka (vahoaka)
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Ozbeka dia vahoaka any amin' ny faritra midadasika any Azia Afovoany, anisan' ny vondrom-poko tiorkika lehibe indrindra ao amin' ilay faritra, miteny amin' ny fiteny torkika, monina indrindra any Ozbekistàna, sy any Afganistàna ary Tajikistàna koa. Miisa any amin' ny 35 tapitrisa izy ireo maneran-tany tamin' ny taona 2021. Atao hoe Oʻzbek, Ўзбек, اۉزبېک (raha maro: Oʻzbeklar, Ўзбеклар, اۉزبېکلر) izy ireo amin' ny teny ozbeka.