Ozbekistàna
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Ozbekistàna, na Repoblikan' i Ozbekistàna, dia firenena ao Azia Afovoany, tsy manana morontsiraka an-dranomasin-dehibe izy, ny antsasaky ny Ranomasin' i Aral anefa dia ao amin’ ny tapany avaratra-andrefan’ ilay firenena. Mirefy 448 924 km2 izy ary nisy mponina miisa 31 tapitrisa izy tamin' ny taona 2015. Izao ny sisin-taniny: i Kazakstàna ny andrefana sy avaratra, Kirgizistàna sy i Tajikistàna ny atsinanana, ary i Afganistàna sy i Torkmenistàna any amin' ny tany atsimo. Talohan' ny 1991 dia ampahany amin' ny Firaisana Sôvietika i Ozbekistàna.
Oʻzbekiston Respublikasi (Uzbek) | |||||
Республика Узбекистан ru | |||||
Repoblikan'i Ozbekistana ((mg)) | |||||
| |||||
Teny ofisialy | ozbeka (fitenim-panjakana) Rosy (fiteny ofisialy) | ||||
Renivohitra | Toshkent 42°35′N 61°56′E | ||||
Tanàna lehibe indrindra | Toshkent | ||||
Fitondrana sy governemanta - Filoha - Praiminisirtra |
Repoblika Shavkat Mirziyoyev Abdulla Aripov | ||||
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 56 448 924 km² 2020 | ||||
Isam-ponina - Tontaliny (2020) - hakitroka |
faha 42 34 036 800 mpo. 76 mpo./km² {{{1}}} | ||||
Anaran'ny mponina | Ozbeka | ||||
Sandam-bola | Soʻm (UZS ) | ||||
Faritr'ora | UTC | ||||
Hiram-pirenena | ' | ||||
Valan-tsehatra internet | |||||
Antso an-tariby |
++998 |
Atao hoe Ўзбекистон Республикаси / Ozbekiston Respublikasi izy amin' ny teny ozbeka fa Узбекистан Республика / Uzbekistan Respublika kosa amin' ny teny rosiana. I Tashkent no renivohiny.
I Ozbekistàna dia mahafaoka ny Repoblika mizakatenan' i Karakalpakie ao andrefana, izay 35 % amin' ny tanin' io firenena io. Mameno ny tanin' i Ozbekistàna ny fatrana maina sy ny tany efitra: iray amin' ny tany efitra lehibe eto an-tany i Kyzylkum. Ao amin' ny tapany avaratr' i Ozbekistàna no manerinerina ny tendrombohitra Tian Shan sy Pamir; eo am-pototr’ ireo tendrombohitra ireo no misy ny faritra lonaka indrindra ao amin’ ilay firenena. I Amu-Daria sy i Syr-Daria no ony lehibe indrindra any, izay mivarina any amin’ ny Ranomasin' i Aral, sady misy lanjany lehibe eo amin’ ny toekarena. Mahalana ny rotsak' orana ary ilaina ny fitarihan-drano ho an' ny fambolena. Mihamaina ny Ranomasin' i Aral ary mihena ny habetsahan' ny rano azo sotroina ka miteraka fiharatsian' ny fahasalaman' ny mponina izany.
I Ozbekistàna no firenena be mponina indrindra any Azia Afovoany. Ny Ozbeka no maro anisa ao (75 %n' ny mponina), fa ny Rosiana kosa dia vahoaka vitsy an' isa ngeza indrindra any (mihoatra ny 9 %). Miteny amin' ny fiteny torkika ny Ozbeka sady manaraka ny finoana silamo.
Miompana amin' ny fambolena ny toekarenan' i Ozbekistàna. Iray amin' ireo firenena mpamokatra sy mpanondrana landihazo betsaka indrindra maneran-tany io firenena io. Mandroso ihany koa ny taozava-baventy izay miompana amin' ny fanodinana ny harena an-kibon' ny tany toy ny arintany sy ny etona voajanahary ary ny volamena.
Anisan' ireo repoblika sôsialista sôvietika taloha (tao amin' ny Firaisana Sôvietika) i Ozbekistàna, nefa nahazo ny fahaleovan-tenany tamin' ny taona 1991, sady mpikambana ao amin' ny Fianakaviamben' ny Fanjakana Mahaleo Tena (Communauté des États Indépendants -- CEI).