Petra-kevitra ara-tahirin-kevitra
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny petra-kevitra ara-tahirin-kevitra dia petra-kevitra izay milaza fa ny boky dimy voalohany ao amin' ny Testamenta Taloha izay mamorona ny atao hoe Pentateoka na Tôrah (ny Genesisy na Jenezy, ny Eksôdosy na Eksaody, ny Levitikosy na Levitika, ny Nomery na Fanisana, ary ny Deoterônômia na Deoterônômy) dia avy amin' ny loharano efatra samihafa, dia ny tahirin-kevitra iahvista, ny tahirin-kevitra elohista, ny tahirin-kevitra deoterônômista ary ny tahirin-kevitry ny mpisorona. Izany petra-kevitra izany dia naraiki-drafitra tamin' ny taonjato faha-19 tamin' ny alalan' ny asan' ireo Alemàna atao hoe Karl Heinrich Graf (1815-1869)[1] sy Julius Wellhausen (18844-1918)[2] ka nomena anarana hoe "Lamin-kevitra Graf-Wellhausen". Izany petra-kevitra izany dia mitsipaka ny fandraisana ara-bakiteny ny fitenenanana hoe "Boky dimin' i Mosesy" na "Boky dimin' i Môizy".
Tsy io anefa no petra-kevitra voalohany atao hoe "ara-tahirin-kevitra" fa nisy nialoha azy, dia ny an' i Henning Bernhard Witter (1683-1715) sy ny an' i Jean Astruc (1684-1766)[3] ary ny an' i Edouard Reuss (1804-1891)[4].
Ny petra-kevirtr' i Graf sy Wellhausen no nanjaka teo amin' ny sehatry ny fanaovana hevitenin' ny Baiboly nefa nifarana tamin' ny taona 1970 izany vokatry ny fitsikerana nataon' ny mpikaroka maro azy io na dia mbola misy ny miaro azy. Tsy misy anefa petra-kevitra mandresy lahatra ny besinimaro nisolo azy. Ny fikarohana ankehitriny dia miankina amin' ny toetran' ny lahatsoratra sy ny fotoana heverina fa mety nanakambanana azy ka manome tombony ireto petra-kevitra roa ireto, dia ny "Petra-kevitry ny sombin-dahatsoratra", izay manohana ny fandraiketana ny endriky ny lovantsofina maro samihafa tamin' ny fotoana samihafa; sy ny "Petra-kevitry ny fameno", izay milaza fa nisy lahatsoratra roa niaingana izay niharam-panamboarana isankarazany. Ny fikarohana ankehitriny dia manavaka vondrom-pampandriana an-tsoratra roa: dia ny vondrona deoterônômista sy ny vondron' ny mpisorona.