![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/a/a5/Coter_Reuben_and_his_brothers_%2528detail%2529.jpg/640px-Coter_Reuben_and_his_brothers_%2528detail%2529.jpg&w=640&q=50)
Robena
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Robena na Reobena (hebreo: ראובן / Reʾuben na Reʾuven) dia zanak' i Jakoba voalohany tamin' i Lea araka ny fitantaran'ny Baiboly ao amin' ny Bokin' ny Genesisy.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/a/a5/Coter_Reuben_and_his_brothers_%28detail%29.jpg/640px-Coter_Reuben_and_his_brothers_%28detail%29.jpg)
I Robena no niangavy ireo rahalahiny mba tsy hamono an' i Josefa fa hanipy azy ao amin' ny lavaka fantsakana. Tamin'ny dian' izy ireo tany Ejipta dia nieritreritra ny hamonjy an' i Benjamina i Robena nefa i Josefa, izay lasa mpitantan-draharaha tao Ejipta nefa tsy fantatr' izy ireo, dia nandidy ny tsy maintsy hahatongavan' i Benjamina any Ejipta. Tsy nanaiky ny hampitondra an' i Benjamina an' i Robena i Jakoba. Na dia lahimatoa aza i Robena dia tsy izy no mpitarika ireo rahalahiny ireo. Tsy nankasitraka azy i Jakoba rainy noho izy nanao firaisana ara-nofo tamin' ny Bilha (iray amin' ireo vadin' i Jakoba, ilay niteraka an' i Dana sy i Naftaly) araka ny Bokin' ny Genesisy sy ny Bokin' ny Deoterônômia (Gen. 35.22 sy 49.3-4; Deo. 21.17). I Robena no razamben' ny fokon' ny Robenita izay nonina tao Misora.