Ny sivaisma na saivisma dia firehana ao amin' ny hindoisma izay mifototra amin' ny lahatsoratry ny Purana, sady nisafidy ny andriamanitra Shiva ho andriamanitra lehibe fara tampony, ka ny mpanaraka azy dia atao hoe Sivaita na Saiva. Manao iôga (yoga) sy fampijalian-tena izy ireo sady manatantanteraka fombafomba voarakitra ao amin' ireo Agama sady iharan' ny akon' ny tantrisma. Amin' ny lafiny ara-pilôzôfia dia miorina amin' ny lamina Yoga sy Vaisheshika ary Nyaya ny sivaisma. Iray amin' ireo firehena lehibe ao amin' ny hindoisma ny sivaisma, manampy ny visnoisma sy ny saktisma ary ny smartisma.

Thumb
Fanompoam-pivavahana amin' i Shiva eo amoron' ny ony Gange
Thumb
Fanevan' ny sivaisma: ombilahy masina Nandi

Araka ny tombana nataon' i Johnson sy Grim tamin' ny taona 2010 dia miisa 252 tapitrisa ny Sivaita maneran-tany, izany hoe 26,6 %n' ny Hindo rehetra izany, ka laharana faharoa aorian' ny visnoisma izany[1].

Jereo koa

Loharano sy fanamarihana

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.