Zôrôastrisma
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny zôrôastrisma na zôrôastrianisma dia fivavahana naorin’ i Zaratostra (na Zôrôastra) tany Persia tamin’ ny taonjato faha-7 tal. J.K. ka i Ahora Mazda (Ahura Mazda) no anaran’ ny Andriamaniny. Manindry mafy ny fifanoheran’ ny herin’ ny tsara amin’ ny herin’ ny ratsy (doalisma) i Zaratostra nefa tsy mitory fisian’ andriamanitra roa mifanohitra.
Ireo resaka nifanaovany tamin’ Andriamanitra sy ny fahasarotan’ ny fitoriany ny zavatra reny dia voarakitra ao amin’ ireo hira masina atao hoe gatha izay hita ao amin’ ny fitambaran-tsoratra masina atao hoe Avesta. Fivavahana efa nisy talohan’ ny kristianisma sy ny silamo sady niara-nisy tamin’ ny jodaisma tamin’ ny fotoan’ ny fahababoan’ ny Jiosy ny zôrôastrisma.