Doalisma (finoana)
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny doalisma dia foto-pampianarana ara-pivavahana izay milaza ny fiaraha-misin' ny foto-javatra roa maharitra nipoiran' ny tsara sy ny ratsy. Mampifanohitra foto-javatra na andriamanitra roa na antokon' andriamanitra na antokom-panahy roa ny fivavahana doalista ka ny voalohany ipoiran' ny tsara fa ny faharoa kosa ipoiran' ny ratsy. Any am-parany anefa dia mino ny mpivavaka doalista fa horesin' ny fototry ny tsara ny fototry ny ratsy.
Ny mazdeisma, izay nipoiran' ny zôrôastrisma, dia mampifanohitra andriamanitra roa, dia i Ahora Mazda sy i Angra Mainio na Ahrimàna. Ho an' ny fivavahana zôrôastriana, izay doalista nefa manam-pirehana mônôteista, dia i Ahora Mazda irery no hany Andriamanitra fa i Ahrimàna na Angra Mainio kosa tsy andriamanitra fa fanahy ratsy. Ny zervanisma dia mampifanohitra ny kambana, dia i Ahora Mazda sy i Angra Mainio, nefa ambonin' ireo i Zorvàna izay ray niteraka azy ireo. Ny manikeisma, izay mampifanohitra ny tsara sy ny ratsy mandrakizay, dia doalista koa.
Teo amin' ny tantaran' ny fivavahana kristiana dia doalista ny bôgômilisma, ny katarisma, ny gnôstisisma, ny markiônisma ary ny paolisianisma.