From Wikipedia, the free encyclopedia
I Zebedeo na Zebedio na Zebede, araka ireo Evanjely efatra ao amin' ny Testamenta Vaovao, dia rain' ny apôstôlin' i Jesoa roalahy, dia i Jakôba Zokiny sy i Joany (na Jaona), "ilay mpianatra tian' i Jesoa". Ireo boky ireo dia toa manambara an-kolaka fa vadin' ny vehivavy iray atao hoe Salôme izy: nefa ao amin' ny Filazantsara araka an' i Marka (Mar. 15.40)[1], ireo vehivavy nanatrika ny fanomboana an' i Jesoa amin' ny hazo fijaliana dia lazaina fa i Maria avy any Magdala, i Maria renin' i Jakôba Zandriny, i Jôsefa (na Josesy) ary i Salôme, ny andalana mifandraika amin' io ao amin' ny Filazantsara araka an' i Matio (Mat 27.56)[2] dia milaza an'i Maria avy any Magdala, i Maria renin'i Jakoba sy Josefa, ary ny renin'ny zanak'i Zebedeo. Ny Rakipahalalana Katolika dia manatsoa-kevitra fa ilay Salome ao amin'ny Filazantsara araka an'i Marka (15.40)[1] sy ny renin'ny zanak'i Zebedeo ao amin'ny Matio dia mety olona iray ihany.
Atao hoe Ζεβεδαῖος / Zebedaios, izy amin'ny teny grika, fa זְבַדְיָה / Zvad'yah kosa amin'ny teny hebreo.
Tsy misy zava-pantatra firy ny momba azy, afa-tsy ny mety fisahanany raharaham-panaratoana sy fananany mpiasa nanampy azy (Mar. 1.19-20)[3]. Rehefa notaomin' i Jesoa hanaraka azy ireo zanany lahy dia niara-nirotsaka nanarato miaraka amin' izy ireo izy (Mat. 4.21-22) angamba teny amin' ny rano lalin' i Genesareta. Izany fikambanany hanarato miaraka amin' ny fianakavian' i Petera (na Piera) sy Andrea izany dia azo anatsoahan-kevitra fa niorim-ponenana tao amin' ny tapany avaratr' i Galilea izy, satria tamin' izany fotoana izany ry Petera sy ry Andrea dia nonina tao Kafarnahoma (na Kapernaomy) na dia avy any Betsaida aza izy ireo. Navelan' i Zebedeo handeha ireo zanany ireo tamin' ny fotoana niantsoan' i Jesoa azy ireo hanaraka azy: tokony ho isan' ireo olona niandry ny fiavian' ny Mesia izy ireo.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.