Ankamantatra

From Wikipedia, the free encyclopedia

Remove ads

Ny ankamantatra [1]dia fanambaràna na fanontaniana misy heviny miafina, sy natao hovahana, homem-baliny. Misy karazany roa ny ankamantatra, dia ny olana ambara amin'ny ankapobeny amin'ny fiteny an'ohatra na fanoharana izay mitaky faharanitan-tsaina sy fieritreretana amim-pitandremana mba hahitana ny vahaolana, ary ny fanontaniana miorina amin' ny kilalaon-teny ahitana teny mitovitovy fanonona na manana heviny maro.

Eo amin' ny fanabeazana dia miendrika fialamboly ny ankamantatra, izay mamporisihana ny ankizy handinika ny tontolo manodidina azy, misarika ny sainy handinika ny fahamarinan' izay nolazaina. Ohatra; "Tanora banga, antitra vao boribory". Valiny: ny Volana. Voakitika ny sainy handinika ny momba ny Volana.

Ny ankamatra dia miendrika fanotanina mitaky valiny,ny ankamatra izany dia olona roa na maromaro no mpandray anjara ao aminy.

Ny fihandohany ankamatra dia miantoboka amin'ny hoe :''inona ary zao .......'' na koa lahatsoratra Kely dia Zay vao misy fanotanina

Ohatra : ''Nisy vorona roa samy mana-tody ambony hazo iray ka manao ambony sy ambany ny toerana misy azy ireo .

Hoy Ilay vorona eo ambany firy ny atodinao niteny Ilay vorona eo ambony, hoy Ilay ambony namaly raha ny anao afindra ato amiko ny atody iray dia atsakiny anaha ny atodinao fa raha ny anaha indray hafindrako ao aminao ny iray dia mitovy ny atody tsika'' firy ary ny atody avy ny atody izy roa ireo?

Remove ads

Jereo koa

Loading related searches...

Wikiwand - on

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Remove ads