Ariary
From Wikipedia, the free encyclopedia
Remove ads
Ny ariary (MGA, Ar) dia sandam-bola miasa ao amin' ny Repoblikan' i Madagasikara, efa niasa tamin' ny andron' ny mpanjaka tamin' ny taonjato faha-19. Taorian' ny nampiasana ny Franc Malagasy (FMG) tamin' ny Repoblika voalohany, dia nampiasaina ny Ariary.
Ny teny hoe Ariary dia mety avy amin' ny teny arabo al rial izay avy amin' ny teny espaniôla hoe real.
Sandam-bola
- Valeur AR 5080[1]
Remove ads
Tantara
Ny teny hoe ariary dia teny efa misy talohan' ny nahatongavan' ny mpanjana-tany teto Madagasikara. Nanomboka tamin' ny fanjanahantany, ny vola Franc no ampiasaina: frantsay tamin' ny 1896 hatramin' ny nahazohana n'y fahaleovantena, ary Franc malagasy tamin' ny 1860 hatramin' ny 2007.
Ny franc malagasy dia nifototra tamin' ny ariary, ny iraimbilanja (1 F) dia 1/5 ariary ary 5 F ny ariary iray. Ohatra, rehefa miteny 2 500 F, dimanjato (500) [ariary] no tenenina. Niverina nampiasaina indray anefa ny Franc Malagasy tamin' ny Repoblika fahatelo. Rehefa tonga teo amin'ny fitondrana i Marc Ravalomanana ny taona 2002, dia nanapa-kevitra ny hiverina amin' ny Ariary indray, ary tanteraka izany tamin' ny 2004, taona izay nanoloana sy nanontana ny vola taratasy vaovao ampiasaina ankehitriny.
Misy sanda fito (7) ankehitriny ny vola taratasy ampiasaina, dia ny 100 ariary, ny 200 ariary, ny 500 ariary, ny 1000 ariary, ny 2000 ariary, ny 5000 ariary ary ny 10000 ariary.
Miisa sivy (9) kosa ny vola vy: dia ny iraimbilanja (0,2 ariary), ny ventisikorobo (0,4 ariary), ny 1 ariary, ny ariary 2, ny ariary 4, ny ariary 5, ny ariary 10, ny 20 ariary, ary ny 50 ariary.
Nanomboka tamin' ny krizy nisy tamin' ny taona 2009 dia nihen-danja hatrany ny sandan' ny Ariary mitaha amin' ireo sandam-bola vahiny toy ny Euro sy Dôlara.
Remove ads
Jereo koa
Wikiwand - on
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Remove ads