Fokom-pirenen' i Dana

From Wikipedia, the free encyclopedia

Fokom-pirenen' i Dana
Remove ads

Ny fokom-pirenen' i Dana dia iray amin' ny fokom-pirenena roa ambin' ny folon' i Israely. Ny tanin' ny fokom-pirenen' i Dana dia hodidinin' ny an' i Benjamina sy ny an' i Jodà ao atsinanana sy ao atsimo, ny an' i Efraima ao avaratra ary ny Ranomasina Mediteranea ao andrefana. Anisan' ny Fanjakan' i Samaria na Fanjakan' i Israely ny fokom-pirenen' i Dana ka nataon' ny Asiriana sesitany tamin' ny taona 722 tal. J.K. niaraka tamin' ny fokom-pirenen' i Israely sivy hafa.

Thumb
Sarintanin'ny foko 12n'i Israely
Remove ads

I Dana

I Dana (hebreo: דָּן, / Dan) dia zanaka fahadimin' i Jakôba tamin' i Bila mpanompovavin' i Rahely vadiny. I Hosima no anaran' ny zanany lahy.

Ny anjara tanin' ny fokom-pirenen' i Dana

Ny tanin' ny fokom-pirenen' i Dana dia hodidinin' ny tanin' i Benjamina sy ny an' i Joda ao atsinanana, ny tanin' i Jodà ao atsimo, ny an' i Efraima ao avaratra ary ny Ranomasina Mediteranea ao andrefana.

Olona anisan' ny fokom-pirenen' i Dana

Anisan' ny fokom-pirenen' i Dana i Manoa sy i Samsona, ilay mpitsaran' i Israely[1].

Ny olona heverina fa anisan' ny fokom-pirenen' i Dana nanjavona

Fahababoana asiriana

Tamin' ny taonjato faha-10 tal. J.K. dia anisan' ny Fanjakan' i Samaria na Fanjakan' i Israely avaratra ny fokom-pirenen' i Dana ka anisan' ny nataon' ny Asiriana sesitany (manontolo na ampahany) tamin' ny taona 722 tal. J.K. niaraka tamin' ny fokom-pirenen' i Israely sivy hafa.

Ny Samaritana

Thumb
Samaritana eo amin'ny tendrombohitra Gerizima.

Nanomboka tamin' ny taonjato faha-3 tal. J.K., fara-fahatarany, dia nisy vahoaka atao hoe Samaritana nonina ao amin' ny faritry ny Fanjakan' i Samaria taloha izay milaza fa taranaky ny fokom-pirenena folo tao amin' io faritra io. Ny Israelitan' i Jodea (na Jodia, izay atao hoe Jodà talohan' io fotoana io), dia ireo atao hoe Jiosy ankehitriny, dia tsy nanaiky izany ka nilaza fa taranaky ny Asiriana nonina tao Samaria izy ireo satria aminy dia nanjavona tsy hita ny fokom-pirenen' i Dana sy ireo sivy hafa izay nonina tao amin' ny Fanjakan' i Samaria. Ny jodaisma ôrtôdôksa amin' izao fotoana izao koa dia miombon-kevitra amin' izany.

Ny Beta Israely

Thumb
Vehivavy Beta Israely ao Israely.

Ny telo amin' ny fokom-pirenen' i Israely, anisan' izay i Dana, dia heverina, araka ny lovantsofina, fa nandositra ao Afrika, ao Nobia. Tamin' ny taonjato faha-15 dia nilaza ilay Jiosy egiptiana, dia ny Radbaz (Rabbi David ben Zimra, 1462–1572), fa ny Beta Israely ao Etiôpia dia avy amin' ny fokom-pirenen' i Dana. Ilay raby sefaradan' i Israely, i Ovadia Yossef, dia nanohy ny petra-keviny tamin' ny taona 1973[2] ka nahatonga ny Beta Israely heken' ny Fanjakana israeliana amin' izao fotoana izao ho anisan' ny Jiosy tamin' ny taona 1975.

Remove ads

Ny fokom-pirenen' i Dana araka ny literatiora kristiana

Tsy anisan' ny fokom-pirenen' voatanisan' ny Apôkalipsin' i Joany (Apô. 7.4-8) ny fokom-pirenen' i Dana nefa manonona an' i Manase ho anisan' ny fokom-pirenena resahiny. Mety noho ny sasany tamin' izy ireo nanompo sampy no nahatonga izany[3]. Nanatsoa-kevitra noho izany ny Rain' ny Fiangonana sasany (Ireneo[4] sy Hipôlito avy any Rôma) sy ny Milenarista sasany fa io fokom-pirenena io no hivoahan' ny Antikristy[5][6].

Remove ads

Jereo koa

Loharano sy fanamarihana

Loading related searches...

Wikiwand - on

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Remove ads