Halatra omby

From Wikipedia, the free encyclopedia

Halatra omby
Remove ads

Ny halatra omby dia fakana omby velona amin' ny fomba tsy ara-dalàna sady mety misy fanafihana sy herisetra avy ao am-bala na ao amin' ny tranon' ny biby fiompy na eny am-piraohany ahitra, ​​matetika maro indray mandeha. Heloka sazian' ny fehezan-dalàna ao amin' ny ankamaroan' ny firenena ahitana fiompiana omby ny halatra omby.

Thumb
Fanafihan' ny mpangalatr' omby nandritra ny Ady tao Schwaben (Alemaina), 1499

Mbola mitranga any amin' ny faritra fiompiana eran-tany io heloka io, indrindra raha miakatra ny vidin' ny hena. Maro ny fomba azo iadiana amin' ny halatra omby, manomboka amin' ny fampiasana fitaovam-piadiana na fiara ka hatramin' ny teknika vaovao ampitahana ny ADN amin' ny biby vonoina eny amin' ny toeram-pivarotan-kena na trano famonoana omby.

Remove ads

Ny halatra omby ankehitriny

Aty Afrika Atsinanana

Matetika mifanafika ny Pôkôta sy Samboro, izay vahoaka nilôtika samy any amin' ny tapany avaratra-andrefan' i Kenià, mba haka omby[1]. Niteraka famoizana ain' olona maro ny halatra omby misy herisetra, toy ny fanafihana tamin' ny 12 Marsa 2001 teo amin' ny Marakoeta tao Murkutwo, ao amin' ny Kôntean' i Elgeyo Marakwet, izay ahiana ho nataon' ny Pôkôta[2].

Ao Sodàna

Nisy fifandonana momba ny kijana sy halatra omby teo amin' ny Dinkà sy ny Noera raha niady noho ny fiandrasana ny biby fiompiny hiraoka ahitra[3][4].

Olana lehibe any ambanivohitr' i Sodàna Atsimo ny halatra omby. Tao amin' ny Fanjakan' i Jonglei dia nisy fanafihana sy halatra omby tamin' ny Aogositra 2011, izay nahafaty olona 600 teo ho eo. Tamin' ny Janoary 2012 indray dia nisy fifandonam-poko vokatry ny halatra omby, izay nahafaty olona eo anelanelan' ny 2 000 sy 3 000 ary olona 34 500 no nafindra toerana tany amin' ny faritra manodidina an' i Pibor[5].

Ao Nizerià

Zava-mitranga fahita any Nizerià ny halatra omby[6][7][8].

Ao Israely

Anisan' ny olana saro-bahana indrindra atrehin' ny mpamboly sy mpiompy ao Israely ny halatra ondry sy osy ary omby, miaraka amin' ny halatra tirakitera sy fitaovana fanondrahana. Manodidina ny 400 eo ho eo ny tranga taterina isan-taona any amin' ny tapany avaratra sy atsimon' ilay firenena, mampitaha ny zava-misy amin' ny an' ny Wild West ny tantsaha. Sekely an-tapitrisany no sandan' ny fatiantoka isan-taona[9]. Entin' ny mpangalatra any Jôrdania Andrefana ny ankamaroan' ny biby fiompy nangalarina, ka vonoina haingana, avy eo averina an-tsokosoko ao Israely dia amidin' ny mpivaro-kena amin' ny mpanjifa tsy miahiahy[10].

Ao Italia

Taorian' ny nampisy fihenana dia nanomboka nitombo indray ny asan-jiolahy tamin' ny taompolo 2000 tany amin' ny faritra fambolena sy fiompiana any Italiana, izay matetika misy fiantraikany ara-toekarena lehibe ho an' ireo izay voaroba. Paikady isan-karazany no ampiasaina amin' ny famoretana ny halatra biby fiompy, toy ny fanaraha-maso ny tsenan' ny hena sy ny fampiasana teknôlôjia vaovao momba ny marika amin' ny biby fiompy. Ny tsy fahafoanan' ny rafitra miafin' ny tsenan-kena, izay matetika lasa misy fiaraha-miasa iraisam-pirenena, dia ahafahan' ny mpivarotra mandefa biby maro dia maro amin' ny alalan' ny hosoka atao amin' ny antontan-taratasy izay mora atao, ka mahatonga ny hena hivoaka haingana eny amin' ny tsena mahazatra. Raha ny zava-misy dia ny fanaraha-maso ny tanim-pirenena fotsiny no fitaovana mahomby indrindra hiadiana amin' io toe-javatra io.

Amin' izao fotoana izao, ao amin' ny lalàna famaizana italiana, dia tsy heverina ho heloka miavaka intsony ny halatra biby fiompy, fa toe-javatra mampitombo sazy amin' ny halatra, araka ny voalazan' ny fehezan-dalàna famaizana italiana.

Remove ads

Jereo koa

Loharano sy fanamarihana

Loading related searches...

Wikiwand - on

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Remove ads