Kilômetatra toradroa

From Wikipedia, the free encyclopedia

Kilômetatra toradroa
Remove ads

Ny kilômetatra toradroa na kilaometatra toradroa, soratana hoe km2 dia venty ampiasaina handrefesana ny velarana. Mitovy amin' ny velaran' ny efamira iray misy lafiny iray kilômetatra ny kilômetatra toradroa. Songantombon' ny ventim-belarana ao amin' ny Rafitra Iraisam-Pirenena momba ny Venty (frantsay: Système international d'unités; anglisy: International System of Units) ny kilômetatra toradroa, izany entim-belarana izany dia ny metatra toradroa. Manondro ny kilômetatra (1 000 metatra) ny tovona hoe kilô- na kilao- (103). Mitovy amin' ny iray tapitrisa metatra toradroa ny velaran' ny iray kilômetatra toradroa, ohatra 1 000 metatra ampitomboina 1 000 metatra. Ohatra: manana velarana iray kilômetatra toradroa ny efamira iray misy lafiny iray kilômetatra (jereo ny sary etsy ankilany).

Thumb
Fanoharana amin' ny faritra mirefy iray kilômetatra toradroa, asehon' ny efamira misy lafiny,mirefy iray kilômetatra. Mirefy 100 ha ny velarana mirefy 1 km2, izay mirefy 10 000 m2 ny tsirairay.
Remove ads

Famadihana venty

  • 1 km2 = 1 000 000 m2 = 100 ha
  • 1 m2 = 0,000 001 km2 (izany hoe 1 × 10−6 km2)
  • 1 ha = 0,01 km2 (izany hoe 1 × 10−2 km2)
Loading related searches...

Wikiwand - on

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Remove ads