Pseodepigrafa (Testamenta Vaovao)

From Wikipedia, the free encyclopedia

Remove ads

Ny pseodepigrafa ao amin' ny Testamenta Vaovao dia boky maro ao amin' ny Baiboly kristiana izay heverin' ny ankamaroan' ny mpikaroka fa tsy nosoratan' ilay olona lazaina fa nanoratra azy, anisan' izany ny enina amin' ny Epistily telo ambin' ny folon' i Paoly, ny Epistily atao hoe katôlika, ny Evanjelin' i Matio sy ny Evanjelin' i Joany. Ireo evanjely roa ireo dia voalaza araka ny lovantsofina kristiana fa nosoratan' i Matio sy i Joany, nefa tsy manohana izany lovantsofina izany intsony ny mpikaroka tantara ankehitriny.

Remove ads

Ny Epistilin' i Paoly

Epistily tena nosoratan' i Paoly

Ny telo ambin' ny folo amin' ny Epistilin' i Paoly dia voalaza fa nosoratan' i Paoly avy any Tarsisy, nefa ny fito fotsiny amin' ireo no heverina fa tena nosoratany tokoa araka ny fifanarahan' ny mpahay tantara, izany hoe, "nataon' ilay apôstôly sora-tononona sy nalefan' ny tenany manokana"[1], dia:

Heverina fa soratry ny mpianatr' i Paoly ireo epistily miisa enina amin' ny anaran' i Paoly nefa tsy nosoratany, izay manaraka ny fampianarany sy eo ambany fahefany[1].

Epistily pseodepigrafa

Ny enina amin' ny epistily amin' ny anaran' i Paoly dia heverina fa pseodepigrafa[1].

Epistily deoterô-paoliniana

Epistily tritô-paoliniana

Remove ads

Epistily katôlika

Voasoratra taloha kelin' ny Epistily katôlika ny Epistily ho an' ny Hebreo izay tsy azo lazaina hoe epigrafia satria tsy mitondra anaran' olona nanoratra azy. Tokony ho nosoratana tao amin' ny tontolo grika (helenista) tao Palestina teo anelanelan' ny taona 86 sy 96 io epistily io[9].

Ireto epistily ireto no heverina fa pseodepigrafa:

Remove ads

Jereo koa

Loharano sy fanamarihana

Loading related searches...

Wikiwand - on

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Remove ads