Subjonctif présent
From Wikipedia, the free encyclopedia
Remove ads
Ny subjonctif présent dia filazam-potoana ao amin' ny filaza ifampiankinana (mode subjonctif) ao amin' ny fitsipiteny frantsay, izay iresahana indrindra zavatra miankina amin' ny finiavana na fanerena, zavatra tsy azo antoka na an' eritreritra fotsiny fa tsy tena misy, mahakasika ny fotoana ankehitriny na ny hoavy indrindraindrindra, nefa azo ampiasaina koa hiresahana ny lasa (indrindra amin' ny endriky ny fiteny frantsay fampiasa andavanandro ankehitriny). Amin' ny fitenenana frantsay ankehitriny dia lasa misolo ny subjonctif imparfait ny subjonctif présent (toy ny subjonctif passé izay misolo ny subjonctif plus-que-parfait) ka tsy mahalaza fotoana intsony fa manamarika ny fanehoan-javatra tsy efa (mifanohitra amin' ny subjonctif passé izay manamarika ny fanehoan-javatra efa).
Ny pejy "Subjonctif (ao amin' ny teny frantsay)" no maneho ny hevitra tiana hambara sy ny antony isafidianana ny subjonctif fa tsy filaza (mode) hafa. Ferana amin' ny antony isafidianana ny subjonctif présent fa tsy ny filazam-potoana hafan' ny subjonctif ny resaka atao eto.
Remove ads
Endriky ny subjonctif présent
Amin' ny ankapobeny dia ahitana tehina "que" ny subjonctif présent. Ny endriky ny subjonctif présent dia fototeny miampy ny fiafaran-teny mitovy amin' ny an' ny présent de l'indicatif manandrify ny je, ny tu, ny il/elle ary ny ils/elles (-e, -es, -e, -ent), fa mitovy amin' ny an' ny imparfait de l'indicatif kosa rehefa manandrify ny nous sy ny vous (-ions, -iez); ny fototeny ampiasaina kosa dia ny fototenin' ilay matoanteny amin' ny présent de l'indicatif rehefa manandrify ny nous sy ny vous, fa ny manandrify ny je, ny tu, ny il/elle ary ny ils/elles kosa dia ny fototeny ampiasaina manandrify ny ils/elles amin' ny présent de l'indicatif. Misy ihany ny matoanteny maningana.
Matoantenin' ny vondrona voalohany
Chanter
|
Envoyer
|
Payer
|
Etudier
|
Espérer
|
Lever
|
Appeler
|
Jeter
|
Matoantenin' ny vondrona faharoa
Ny endriky ny subjonctif présent ho an' ny matoanteny ao amin' ny vondrona faharoa (sahala amin' ny finir) dia ahitana -s- roa (-ss-) eo alohan' ny fiafaran-teny
Finir
|
Haïr
|
Bénir
|
Fleurir
|
Matoantenin' ny vondrona fahatelo
Mettre
|
Battre
|
Rompre
|
Vaincre
|
Distraire
|
Croire
|
Voir
|
Fuir
|
Croître
|
Naître
|
Maudire
|
Paître
|
Partir
|
Bouillir
|
Dormir
|
Courir
|
Dire
|
Lire
|
Plaire
|
Coudre
|
Moudre
|
Recevoir
|
Mouvoir
|
Pleuvoir
|
Boire
|
Prendre
|
Venir
|
Tenir
|
Devenir
|
Plaindre
|
Craindre
|
Peindre
|
Joindre
|
Rendre
|
Vendre
|
Prévaloir
|
Perdre
|
Faire
|
Pouvoir
|
Valoir
|
Aller
|
Faire
|
Pouvoir
|
Valoir
|
Aller
|
Falloir
|
Etre
|
Avoir
|
S’asseoir
|
S'asseoir
|
Ecrire
|
Résoudre
|
Suivre
|
Vivre
|
Remove ads
Fampiasana ny subjonctif présent
Fotoana ao amin' ny subjonctif présent
Mahakasika ny ankehitriny sy ny hoavy
Ny subjonctif présent dia ampiasaina hiresahana zava-misy ankehitriny na amin' ny hoavy. Amin' izany, ny subjonctif présent dia mifandray amin' ny fotoana izay mifandray ihany koa amin' ny présent de l'indicatif na ny futur simple.
Ohatra:
- Que personne ne bouge !
- Qu'il prenne son médicament avant de dormir.
Raha misy ny fandrindrana ny filazam-potoana
Raha misy ny fandrindrana filazam-potoana, dia mitaky ny fampiasana ny subjonctif présent na ny subjonctif passé ny filazam-potoana mahakasika ny ankehitriny na ny hoavy ao amin' ny fehezankevitra iankinana. Indreto ny filazam-potoana mahakasika ny ankehitriny na ny hoavy: présent de l'indicatif, passé composé (izay mahakasika ny lasa ihany koa), futur simple, futur antérieur.
Ohatra:
- Que je lui fasse des excuses? Jamais de la vie.
- Mon père tient à ce que nous terminions nos études.
Raha tsy misy ny fandrindrana ny filazam-potoana
Raha tsy misy ny fandrindrana filazam-potoana, dia tsy mitaky fampiasana filazam-potoana hafa afa-tsy ny subjonctif présent na ny subjonctif passé ny filazam-potoana mahakasika ny lasa ao amin' ny fehezankevitra iankinana, raha ny subjonctif imparfait sy ny subjonctif plus-que-parfait no tokony hampiasaina. Izany no fanaon' ny ankamaroan' ny mpiteny frantsay andavanandro ankehitriny izay tsy marisika amin' ny fampiasana ny subjonctif imparfait sy ny subjonctif plus-que-parfait.
Indreto ny filazam-potoana mahakasika ny lasa: imparfait de l'indicatif, passé simple, plus-que-parfait de l'indicatif, conditionnel présent (amin' ny maha futur simple du passé azy), conditionnel passé (amin' ny maha futur antérieur du passé azy). Manampy azy ireo ny passé composé izay mandray roa.
Ohatra;
- Il semblerait que Marie soit souffrante.
- Il semblerait que Marie fût souffrante. (raha misy fandrindrana filazam-potoana)
- Il fallait que nous partions.
- Il fallait que nous partîmes. (raha misy fandrindrana filazam-potoana)
Fanehoan-javatra ao amin' ny subjonctif présent
Raha amin' ny lafiny fanehoan-javatra no heverina dia ny fanehoan-javatra tsy efa no ao amin' ny subjonctif présent, ka mifanohitra amin' ny subjonctif passé izay manana ny fanehoan-javatra efa.
Ohatra:
- Mon père tient à ce que nous terminions nos études. (subjonctif présent - tsy efa)
- Mon père tient à ce que nous ayons terminé nos études. (subjonctif passé - efa)
Remove ads
Jereo koa
- Filazam-potoana ao amin' ny filaza tsotra (mode indicatif) ao amin' ny fitsipiteny frantsay: présent de l'indicatif, passé composé, imparfait de l'indicatif, passé simple, plus-que-parfait de l'indicatif, passé antérieur, futur simple, futur antérieur, futur simple du passé, futur antérieur du passé.
- Filazam-potoana ao amin' ny filaza ifampiankinana (mode subjonctif) ao amin' ny fitsipiteny frantsay: subjonctif présent, subjonctif passé, subjonctif imparfait, subjonctif plus-que-parfait
- Filazam-potoana ao amin' ny filaza mihonohono (mode conditionnel) ao amin' ny fitsipiteny frantsay: conditionnel présent, conditionnel passé
- Filazam-potoana ao amin' ny filaza mandidy (mode impératif) ao amin' ny fitsipiteny frantsay: impératif présent, impératif passé
- Filazam-potoana ao amin' ny filaza tsy mitanisa (mode infinitif) ao amin' ny fitsipiteny frantsay: infinitif présent, infinitif passé
- Filazam-potoana ao amin' ny ova-matoanteny (mode participe) ao amin' ny fitsipiteny frantsay: participe présent, participe passé
Loharano sy fanamarihana
Wikiwand - on
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Remove ads