Vondrona Afrikana

From Wikipedia, the free encyclopedia

Vondrona Afrikana
Remove ads

Ny Vondrona Afrika(ni)na (VA) dia fikambanan' ny firenena afrikanina natsangana tamin'ny taona 2002 tany Durban any Afrika Atsimo, araka ny fanambaràna tany Syrte tamin'ny 9 Septambra 1999. Nandimby ny Firaisambe Afrikanina. Ny fametrahana ny andrim-panjakana (Vaomieran' ny Firisambe Afrikana, Antenimiera Panafrikana sy ny Filankevitry ny Fandriampahalemana sy ny Fiarovana) dia tamin'ny Jolay 2003 tamin'ny fivoriana tany Maputo ao Mozambika.

Thumb
Sainan' ny Vondrona Afrikana

Tahaka ny tanjon'ny Vondrona Eorôpeanina, ny tanjony dia mitazona ny firenena mpikambana ho demôkratika, ny zon'olombelona ary ny fampandrosoana ao Afrika, indrindra amin'ny alalan'ny fampiasam-bola avy any ivelany amin'ny alalan'ny New Partnership for Africa's Development (NEPAD). Io fandaharan'asa io dia nilaza fa ny fandriampahalemana sy ny demôkrasia dia fepetra mialoha ho an'ny fivoarana maharitra.

Ankehitriny, ny Vondrona Afrikanina dia misy mpikambana 55 (afatsy i Marôka, izay niala tao amin'ny Vondrona Afrikanina noho i Sahara Andrefana niditra tao amin'io fikambanana io). Ny firenena efatra nahanton'ny Vondrona Afrikanina dia i Nizera, i Maoritania, i Madagasikara ary i Ginea; satria fadin' ny lalampanorenan'ny Vondrona Afrikanina ny maka ny fahefana amin'ny alalan'ny fanonganam-panjakana.

Ny fiteny ampiasaina ao amin'ny Vondrona Afrikanina dia fiteny rehetra aty Afrika. Fa ny tena miasa indrindra dia ny fiteny anglisy, ny fiteny arabo, ny fiteny frantsay, ny fiteny espaniôla, ny fiteny pôrtogey ary ny teny soahily.

Remove ads

Jereo koa

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Remove ads
Loading related searches...

Wikiwand - on

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Remove ads