Antandroy
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Antandroy na Tandroy na Ntandroy dia vondrom-poko ao amin' ny faritra atsimo indrindra eto Madagasikara, monina eo anelanelan' ny ony Menarandra ao andrefana sy Mandrare ao atsinanana ary ny havoana Vohimainty ao avaratra. Any amin' ny Faritra Androy no misy azy. Ireto ny tanàna lehibe any: Ambovombe sy Beloha ary Tsihombe. Tanàna antandroy koa i Bekily.
Tamin' ny taonjato faha-17 dia vondrona roa nofehezin' ny tarana-mpanjaka Zafimanara ny Tandroy ka nanomboka tamin' ny tondra-drano no nahatonga ny fanjakana ho rava tamin' ny taona 1790. Nitoka-monina ny Tandroy ka niaro tena tsy ho resin’ ny Fanjakan’ Imerina tamin’ ny taonjato faha-19; tatỳ aoriana, ny mpanjanaka frantsay koa dia niady mafy mba hampihatra ny heriny amin' ity vahoaka ity. Hatramin' ny nahazoana ny fahaleovantena dia niharan' ny fitsarana an-tendrony sy ny fanilikilihana ara-toekarena ny Tandroy, ka nahatonga ny fifindrà-monina niely patrana sy ny fanambadiany amin' ny foko hafa, ary nitarika azy ireo handray anjara lehibe tamin' ny hetsi-panoherana izay nahatonga ny fionganan' ny fitondran' ny filoha Philibert Tsiranana tamin' ny tana 1972.
Tamin' ny taona 2013 dia niisa 600 000 any ho any ny Antandroy[1]; izy ireo no vondrom-poko fahadimy raha ny isan' ny mponina no heverina[2]. Mpiompy omby mifindrafindra toerana ny Antandroy, ompiany koa ny osy aman' ondry.
Avy amin' ny anaran' ny zavamaniry atao hoe roy ny anaran' io foko io.
Malaza amin' ny fahaizany fanandroana sy ody izy ireo, ary manao firavaka volafotsy tsara tarehy sy tombokavatsa.
Na dia manana kolontsaina iraisana amin' ny foko hafa eto Madagasikara aza ny Tandroy, toy ny fanajana ny razana sy ny fiteny iraisana ary ny fombafombam-pandevenana sarotra, dia misy fomba fanao mampiavaka azy. Malaza manokana izy ireo amin' ny dihy, ny akanjo vita amin' ny landihazo, ny fasana voaravaka tsara, ary ny fampiasana tsy manam-paharoa ny hazo fisaka amin' ny fananganana ny tranony. Tsy mitovy amin' ny ankamaroan' ny foko malagasy ihany koa izy, fa miantehitra bebe kokoa amin' ny vodin-javamaniry fihinana, ny oviala (Dioscorea villosa), ampemby (Sorghum) ary ny voly hafa izay tsy dia mila rano loatra raha mitaha amin' ny vary any amin' ny faritra hafa eto amin' ny Nosy. Ny fiompiana omby no asa fivelomana lehibe indrindra ataon' ny Tandroy, ary ny fasan' izy ireo dia voaravaka karandohan' omby maro be ho famantarana ny fananan-karen' ilay maty.