Faritanin' i Toliara
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Faritanin' i Toliara dia anisan' ireo faritany enina eto Madagasikara. Izy no faritanin' i Madagasikara lehibe indrindra raha ny velarana no jerena; any amin' ny tapany atsimo-andrefan' ny nosy no misy azy; misy ny seranan-tsambo ao amin' ny lakandranon' i Mozambika.
Ny anarana hoe Toliara dia anarana ofisialin' ilay tanàna nanomboka tamin' ny fanagasiana tamin' ny taona 1970 tamin' ny fanagasiana ny anaran-tanàna nitondra anarana frantsay, ny anaran-tanàna fotsiny no tena niova fa ny anaran-dalana mitovy ihany. 936 km miala ao Antananarivo no misy ny renivohiny, dia ny tanànan' i Toliara.
Tsy vondrom-paritra itsinjaram-pahefana ny faritany taorian' ny fanavaozana ny Lalàmpanorenana tamin' ny Avrily 2007 izay nametraka ny faritra nefa naverina ny maha vondrom-paritra itsinjaram-pahefana azy tamin' ny Lalàmpanorenan' ny taona 2010 na dia tsy voahaja aza izany.