From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny jeôgrafian' i Madagasikara dia fandalinana ny nosy lehibe ao amin' ny tapany andrefana amin' ny Ranomasimbe Indianina. Nosy fahefatra lehibe indrindra eto an-tany izy. Aty amin' ny ila-bolan-tany atsimo no misy an' i Madagasikara, fahefatra amin' ny nosy ngeza indrindra eto an-tany ny nosin' i Madagasikara, ao aorian' i Groenland, Ginea Vao ary Borneo. Ny lakandranon' i Mozambika no manasaraka azy amin' i Afrika. 400 km ny elanelan' i Mozambika sy Madagasikara. 1 580 km ny halavan' i Madagasikara avy any atsimo ka hatrany avaratra ary 580 km ny sakany avy any atsinanana ka hatrany andrefana.
Misy tangorom-bohitra mizara ny nosy makany avaratra hatrany atsimo. Ny salasalan-kalavan' ireo tendrombohitra ireo dia misy 1200-1500 m eo ho eo. Any amin' ny farirta avaratr' i Madagasikara no misy ny tendrombohirta Tsaratanana (na Maromokotro) izay manana haambo 2 876 m. Misy farihy maro ny eto Madaasikara ka ny farihy ngeza indrindra dia ny Farihin' Alaotra, manana velarana 182 km2.
Any atsinanana dia misy lemaka tery kely haavo misy ny lakandranon' ny Pangalana manana toetany be orana any avaratra hatrany atsimo. Ny havoana dia maka 60 % n' ny velaran' i Madagasikara. Ny toerana avo indrindra eto Madagasikara dia i Tsaratanana any amin' ny faritanin' Antsiranana, izay manana haavo 2 876 m.
Ireto ny tendrombohitra avo eto Madagasikara:
Ny farihin' Alaotra no farihy lehibe indrindra ao Madagasikara. Ny halalin' ny toerana lalina indrindra amin' io farihy io dia 1,5 m monja. Ny lanjan' ny ranon' ny farihin' Alaotra dia eo amin'ny 930 tapitrisa taonina eo ho eo (0,93 km3). Noho ny fikaohan' ny tendrombohitra manodidina dia nihafeno fasika ilay farihy, ka izany no anisan' ny antony tsy mahalalina io farihy io.
Farihy | Velarany Ha | Distrika |
---|---|---|
Alaotra | 22 000 | Ambatondrazaka |
Kinkony | 8 500 | Mitsinjo |
Itasy | 4 200 | Soavinandriana |
Antsohary | 3 950 | Mitsinjo |
Bemamba | 3 825 | Antsalova |
Ihotry | 3 475 | Morombe |
Réserve de Tsiazompaniry | 3 200 | Ambatolampy |
Bendrony | 3 050 | Maevatanàna |
Andranomena | 3 025 | Belo amoron'i Tsiribihina |
Amparihibe | 2 625 | Maevatanàna |
Hima | 2 650 | Belo amoron'i Tsiribihina |
Tsimanampetsotsa. | 2 300 | Betioky |
Tsibirahy | 2 200 | Besalampy |
Ampahana | 2 175 | Antalaha (L) |
Masama | 2 075 | Antsalova |
Réserve de Mantasoa | 2 050 | Manjakandriana |
Nosy-Ve | 2 010 | Toamasina |
Analampotsy | 2 000 | Nosy-Varika |
Anony | 2 000 | Taolanaro |
Fitambarany | 77 310 |
Ireto ny renirano sy ny ony lehibe sasany eto Madagasikara:
I Madagasikara, izay nisaraka tamin' i Afrika nandritra ny 100 tapitrisa taona mahery, dia lasa nonenana biby sy zavamaniry tsy hita any amin' ny toeran-kafa: eo amin' ny 85 % amin' ny karazan-javamaniry sy 90 % amin' ny karazam-biby eto izany.
Ny 21,9 % amin' ny velaran' i Madagasikara (13 tapitrisa ha) fotsiny no misy ala. Ankoatry ny faritra rakotra ala any avaratra, dia efa ala naniry taty aoriana no sisa.
Ny morontsiraka andrefana dia ahitana ala honko, izay hita koa tsindraindray any amin' ny morontsiraka avaratra-atsinanana sy atsimo-atsinanana. Ny hivoka no manjaka any amin' ny faritra andrefana ary ny zavamaniry misy tsilo an-tany efitra no mandrakotra ny faitra atsimo-andrefana.
Isan-karazany ny zavamaniry malagasy, izay misy karazana miisa 8 500 hatramin' ny 12 000 arakaraka ny tombana, ka hita indrindra ny karazana ôrkidea maherin' ny 1 000, ary 6 amin' ny karazana zaha (na reniala) miisa 8 maneran-tany. Hita sy avy eto Madagasikara ny ravinala (Ravenala madagascariensis) sy ny elamboronala na monongo (Delonix regia), izay ambolena manerana ny faritra mafana amin' izao tontolo izao.
Tombanana ho 100 000 mahery ny karazana biby tsy misy hazon-damosina eto Madagasikara. Ny bibikely dia fantatra fa misy karazana 850 mahery, izay saika tsy fahita firy ivelan' ny Nosy.
Amin' ny karazana trondro maro, ny sasany dia misy poizina, toy ny trondro atao hoe Synanceia verrucosa sy Pterois volitans, izay mampiavaka ny ranomasina ao amin' ny Ranomasimbe Indiana sy Pasifika. Misy maro ny antsantsa, indrindra fa ny Carcharias taurus, ny Stegostoma fasciatum, ny Carcharhinus perezii ary ny Rhinobatidae.
Maherin' ny 250 ny karazana biby mandady sy mikisaka eto Madagasikara, izay tsy misy any ivelany ny 95 % aminy. Ireo biby ireo dia ahitana karazana bibilava 60 eo ho eo, ny katsatsaka (Gekkota) karazany 60 sy karazana tana (Chamaeleonidae). Ny voay hany hita eto amin' ny Nosy dia ny voay Crocodylus niloticus izay be mpihaza ka lasa tsy fahita firy. Ny sahona sy saobakaka dia misy karazana 180 eo ho eo, ka 98 % dia tsy misy afa-tsy eto Madagasikara.
Karazana vorona 260 eo ho eo no fantatra fa misy eto Madagasikara, anisan' izany ny Phaethon rubricauda.
Misy karazana sy zana-karazana 150 eo ho eo ny biby misy nono. Ny karazam-barika misy eto dia samy atahorana ho lany tamingana: ny haihay (Daubentonia madagascariensis), ny babakoto na endrina (Indri indri), ny maky isan-karazany (Lemuridae), ny tsidiala (Allocebus trichotis), ny tsidika (Cheirogaleus milii), ny tsitsihy (Cheirogaleus major), ny matavirambo (Cheirogaleus medius) ary ny tsidy isan-karazany (Microcebus). Ny fosa, izay biby mpivoaka alina, dia isan' ireo biby tsy fahita afa-tsy eto amin' ny Nosy.
Ireto ny nosy sasany eto Madagasikara:
Ireto ny saikanosy sasany eto Madagsikara:
Ireto ny helodrano sasany eto Madagasikara:
Ireto ny tanjona sasany eto Madagasikara:
Trôpikaly ny toetany amin' ny morontsiraka, toetanim-pehibe izy any atsinanana, trôpikaly maina izy any amin' ny morontsiraka andrefana sy atsimo, ary trôpikaly mangatsiaka izy any ampovoany. Ny tohi-drivodoza ny Ranomasimbe Indianina no mampisy ny alizay atsimo atsinanana, mihisaka araky ny fizaran-taona io alizay io.
Manana fizaran-taona roa i Madagasikara: misy ririnina (maina) amin' ny volana Mey hatramin' ny volana Ôktôbra, sy fahavaratra (mando) amin' ny volana Nôvambra hatramin' ny volana Avrily. Miovaova arakaraky ny haabon-toerana ny toetrandro sy ny rivotra manjaka. Mandalo amin' ny morontsiraka atsinanana izao ohatra ny alizay, Noho izany dia manorana matetika ny any satria mbola misy an' Andringitra mitazona ny ankabeazan' ny hamandoana. Any amin' ny morontsiraka atsinanana izao no tena be orana indrindra aty Madagasikara (3 500 mm isan-taona).
Mandalo matetika amin' ny fahavaratra ny rivodoza avy any amin' ny nosin' ny Maskarena. Maimaina sy mangatsiatsiaka ny tany any andrefan' Andringitra amin' ilay alizay tsy tonga any. Mahatratra 1 400 mm ny orana latsaka any Antananarivo amin' ny ririnina, mety mangatsiaka be ny alina any fa tsy dia mivaingana matetika. Fa mety mivaingana ny rano rehefa miakatra any an-tampon-tendrombohitra. Amin' ny andro ririnina, ny lanitry ny renivohitra dia anisan' ny tena mazava (amin' ny tantera-kazavana) indrindra eto an-tany. Mbola maina noho ny ampovoany ny toetrandro any andrefana satria efa nilatsaka daholo ny hamandoan' ny alizay. 300 mm fotsiny ny tontalin' ny orana latsaka any Toliara mandritry ny taona
Ny toetany eo amin' ny faritra afovoany dia mangatsiaka amin' ny andro ririnina ary matimaty na mafana rehefa andro fahavaratra amin' ny volana Desambra; ny rotsak' orana eo amin' ny faritra afovoany dia antonontonony. Ny faritra andrefana dia manana toetany maina sady mafana mandavan-taona.
Lahatsoratra antsipirihany: Faritany eto Madagasikara.
Nizara ho faritany enina i Madagasikara hatramin' izay: Antsiranana, Antananarivo, Fianarantsoa, Mahajanga, Toamasina ary Toliara. Araka ny fiovana nisy anefa, nanomboka ny taona 2004, dia nozaraina ho faritra 23 i Madagasikara.
Misy faritra roa ny ao amin' ny Faritanin' Antsiranana, ka ireto avy izy ireo:
Misy faritra efatra ny ao amin' ny Faritanin' i Mahajanga:
Misy faritra efatra ny ao amin' ny Faritanin' Antananarivo:
Misy faritra telo ny ao amin' ny Faritanin' i Toamasina:
Misy faritra dimy ny ao amin' ny Faritanin' i Fianarantsoa:
Misy faritra efatra ny ao amin' ny Faritanin' i Toliara:
Tamin' ny taona 2015 dia niisa 1 693 ny kaominina eto Madagasikara.
Lah, | Anarana | Reniv, | Mponina | Velarana(km²) | Hab, Mponina |
---|---|---|---|---|---|
1 | Diana | Antsiranana I | 485 800 | 19 266 | 25,2 |
2 | Sava | Sambava | 805 300 | 25 518 | 31,6 |
3 | Itasy | Miarinarivo | 643 000 | 6 993 | 91,9 |
4 | Analamanga | Antananarivo-Renivohitra | 2 811 500 | 16 911 | 166,3 |
5 | Vakinankaratra | Antsirabe I | 1 589 800 | 16 599 | 95,8 |
6 | Bongolava | Tsiroanomandidy | 326 600 | 16 688 | 19,6 |
7 | Sofia | Antsohihy | 940 800 | 50 100 | 18,8 |
8 | Boeny | Mahajanga I | 543 200 | 31 046 | 17,5 |
9 | Betsiboka | Maevatanana | 236 500 | 30 025 | 7,9 |
10 | Melaky | Maintirano | 175 500 | 38 852 | 4,5 |
11 | Alaotra-Mangoro | Ambatondrazaka | 877 700 | 31 948 | 27,5 |
12 | Atsinanana | Toamasina I | 1 117 100 | 21 934 | 50,9 |
13 | Analanjirofo | Fenoarivo Atsinanana | 860 800 | 21 930 | 39,3 |
14 | Amoron'i Mania | Ambositra | 693 200 | 16 141 | 42,9 |
15 | Matsiatra Ambony | Fianarantsoa I | 1 128 900 | 21 080 | 53,5 |
16 | Vatovavy-Fitovinany | Manakara | 1 097 700 | 19 605 | 56,0 |
17 | Atsimo-Atsinanana | Farafangana | 621 200 | 18 863 | 32,9 |
18 | Ihorombe | Ihosy | 189 200 | 26 391 | 7,2 |
19 | Menabe | Morondava | 390 800 | 46 121 | 8,5 |
20 | Atsimo-Andrefana | Toliara I | 1 018 500 | 66 236 | 15,4 |
21 | Androy | Ambovombe | 476 600 | 19 317 | 24,7 |
22 | Anosy | Taolagnaro | 544 200 | 25 731 | 21,1 |
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.