From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Slava na Slavy dia vondrom-poko ara-piteny indô-eorôpeana, izay miteny amin' ny fiteny slava isan-karazany ao amin' ny vondrom-piteny baltô-slava. Teratany any Eorazia izy ireo, hatrany Eorôpa Afovoany, Atsinanana ary Atsimo, avaratra sy atsinanana ka hatrany avaratra-atsinanana amin' i Eorôpa sy any Azia Avaratra (Siberia), ary any Azia Afovoany (indrindra fa i Kazakstàna sy i Torkmenistàna), ary koa ny ara-tantara tany Eorôpa Andrefana (indrindra fa any Alemaina Atsinanana) sy Azia Andrefana (anisan' izany i Anatôlia). Nanomboka tamin' ny fiandohan' ny taonjato fahenina dia niparitaka izy ireo ka nipetraka tany amin' ny ankamaroan' ny firenena any Eorôpa Afovoany sy Atsinanana ary Atsimo-Atsinanana. Noho ny fifindrà-monina dia misy diaspôra slavy lehibe ankehitriny ny any Amerika Avaratra, indrindra any Etazonia sy any Kanada.
Ny Slava no vondrom-poko ara-piteny lehibe indrindra any Eorôpa. Ny Slava ankehitriny dia sokajiana ho Slava Tatsinanana (indrindra ny Belarosiana, ny Rosiana, ny Roteniana ary ny Okrainiana), Slava Tandrefana (indrindra indrindra ny Tseky, ny Kasobiana, ny Môraviana, ny Pôlôney, ny Sileziana, ny Slôvàka ary ny Sôràba) ary Slava Tatsimo (indrindraindrindra ny Bôsniaka, ny Bolgara, ny Krôatiana, ny Gôràna ary ny Makedôniana, ny Môtenegrina, ny Serba ary ny Slôvena).
Ny Slava dia azo sokajiana araka ny fivavahany. Ny ankamaroany dia manaraka ny kristianisma ôrtôdôksa. Ny Slava ôrtôdôksa dia ahitana Belarosiana, Bolgara, Makedôniana, Môntenegrina, Rosiana, Rosina, Serba ary Okrainiana, ary faritana amin' ny fomba amam-panao ôrtôdôksa sy ny soratra sirilika, ary koa ny fifandraisany ara-kolontsaina amin' ny Empira Bizantina (mampiasa ny soratra latina koa ny Môntenegrina sy ny Serba, hanoratany fiteny mitovy). Ny fivavahana kristiana faharoa mahazatra indrindra dia ny katôlika rômana. Ny Slava katôlika dia ahitana Krôatiana, Tseky, Kasobiana, Môraviana, Pôlôney, Sileziana, Slôvaka, Slôvena ary Sôràba, ary voafaritra amin' ny fiantraikany sy ny lova latinany ary ny fifandraisany amin' i Eorôpa Andrefana. Misy ihany koa ny Prôtestanta sy ny Loterana vitsy anisa, indrindra fa ny Slava Tandrefana, toy ny Hosita tany Bôhemia (Tseky) ara-tantara.
Ny fivavahana faharoa lehibe indrindra amin' ny Slava, aorian' ny kristianisma, dia ny silamo. Anisan' ny Slava miozolmana ny Bôsniaka, ny Pômàka (vahoaka) (Miozolmana bolgariana), ny Gôrany (vahoaka), ny Tôrbesy (Miozolmana makedôniana), ary Miozolmana hafa avy any Iogôslavia taloha. Ny firenena sy ny vondrom-poko slava ankehitriny dia tena samihafa ara-pitaranahana sy ara-kolontsaina, ary ny fifandraisan' izy ireo - na ao anatin' ny vondrona tsirairay aza - dia ahitana firaisankina ara-poko ka hatramin' ny fifandrafiana anatiny.
Ny vondrom-poko ara-piteny slava telo lehibe dia:
Amin' ny fomba fijery ara-piteny, ny fiteny slava sasany dia tena mifanakaiky, nefa tsy midika izany fa mora ny fifankahazoana. Ireto avy izy ireo:
Ity ny lisitry ny firenena slava voasokajy araka ny isan' ny mponina.
Misy diaspôra slava lehibe eran-tany: any Etazonia, Kanada, Aostralia, Frantsa, Fanjakana Mitambatra, Alemaina ary Pôrtogaly.
Ankoatr' izay, ny mpanjanaka slava niorim-ponenana tamin' ny taonjato faha-19 sy faha-20 dia ampahany manan-danja amin' ny mponina ao amin' ireo firenena vokatry ny faharavan' ny Empira Rosiana teo aloha sy ny Firaisana Sôvietika taloha toa an' i Torkmenistàna (7%), i Kirgizstàna (8%), i Ozbekistàna (9%), i Litoania (15%), i Môldavia (16%), i Kazakstàna (26% eo ho eo, vahoaka lehibe indrindra amin' ny isa), i Estônia (29%), i Letônia (36%) ary mihoatra noho izany aza any amin' ireo tany milaza tena ho repoblika mahaleo tena, izay tsy ekena eo amin' ny sehatra iraisam-pirenena, ary miankina tanteraka amin' ny Federasionan' i Rosia: Abkazia (11%), Ôsetia Atsimo (10%) ary Transnistria (eo amin' ny 62%).
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.