I Sorinama na Sorinamy dia firenena ao Amerika Atsimo manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasimbe Atlantika. I Paramaribo no renivohiny sady tanàna lehibe indrindra any. Ny faritr' ora dia -3. Mirefy 163 821 km2 ny velarany ary miisa 566 846 ny mponina ao aminy araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2013. Misy vondrom-poko maromaro ny ao Sorinama: ny Indô-Pakistaney (mihoatra ny 35 %), ny Kreôla (mahery kelin' ny 30 %), ny Indôneziana (15 %) ary ny Afrikana mainty hoditra (10 %). Ny hindoisma sy ny kristianisma ary ny silamo no fivavahana be mpanaraka any.

Thumb
Sainan' i Sorinama
Thumb
Toerana misy an' i Sorinama eto amin' izao tontolo izao
Thumb
Sarin-tanin' i Sorinama

Ny vohon-tanin' i Sorinama dia ahitana lemaka amorontsiraka be honahona any avaratra, sy lembalemba ao afovoan-tany, ary faritra be tendrombohitra rakotra ala mikitroka any atsimo. Renirano maro no mamakivaky an' ity firenena ity.

Ny toekaren' i Sorinama dia mifototra amin' ny harena an-kibon' ny tany (baoksita, vy, varahina ary nikela) ary koa amin' ny fitrandrahana hazo ao amin' ny ala midadasika.

Zanatany neerlandey taloha i Sorinama izay nahazo ny fahalevan-tenany tamin' ny taona 1975.

Jereo koa

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.