Fiteny indôneziana
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fiteny indôneziana dia fiteny ôfisialin' ny Repoblikan' Indônezia. Anisan' ny fiteny miasa ihany koa io fiteny io any amin' ny Repoblikan' i Timôro Atsinanana. Fiteny aostroneziana nampiasaina ho lingua franca tao amin' ny vondronosy Indôneziana izay mampiasa fiteny maro samihafa nandritra ny taonjato maro ny fiteny indôneziana. Iray amin' ireo endriky ny fiteny malay (bahasa Melayu) ny fiteny indôneziana. Tsy fitenin-drenin' ny ankamaroan' ny Indôneziana io fiteny io. Any am-pianarana ny ankizy indôneziana vao mianatra an' io fiteny io. Atao hoe Bahasa Indonesia, izany hoe "fitenin' i Indônezia", io fiteny io amin' ny teny indôneziana.
![]() |
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina. Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy. |
Ny fiteny malay anefa no fitenin' ny faritra manontolo (bahasa daerah) any amin' ny morontsiraka atsinanan' ny nosy Sumatra, ny marimarina kokoa amin' ny morontsiraka atsinanan' ny faritanin' i Sumatra Avaratra sy ny faritanin' i Riau, nosy Riau sy Jambi ary Sumatra Atsimo ary ny sisin-dranomasin' ny faritanin' i Kalimantan Andrefana, Kalimantan Atsimo ary Kalimantan Atsinanana ao amin' ny nosy Borneo.