Ny Môngôlika dia fitambarana vahoaka avy any Azia Atsinanana izay hita any Azia Atsinanana, any Azia Avaratra, any Azia Atsimo ary Eorôpa Atsinanana, izay miteny fiteny môngôlika. Antsoina hoe Prôtô-Môngôly ny razambeny.

Thumb
Faritra onenan' ny vahoaka môngôlika (miloko mena)

Ny vondrom-poko môngôlika lehibe indrindra amin' izao fotoana izao dia ny Môngôly. Ny vahoaka miteny môngôlika, na dia miparitaka amin' ny faritra ara-jeografia midadasika aza, dia mampiseho fifanahafana ara-pototarazo avo lenta, ary mampiseho fitohizana amin' ireo vahoaka tany Azia Avaratra-Atsinanana fahiny.

Ny vahoaka môngôlika

Ireto avy ny foko ao amin' io vondrona io: Bônana, Daora, Dôngsiana, Hamnigana, Iogora, Kangjia, Katsô, Mogaly, Môgôly, Môngôly, Môngôly Sisoana, Môngoôra, ary Sôgoô Ariga.

Fafana mapiseho ny vahoaka môngôlika ankehitriny
Anaram-poko Isan' ny mponna Faritra ahitana azy Fivavahana
Môngôly 11 000 000 Môngôlia, Môngôlia Anatiny, faritra mizakatena môngôliana any Sina, Buryatia (Rosia), Kalmykia (Rosia), Agin-Buryat Okrug (Rosia), Ust-Orda Buryat Okrug (Rosia) Bodisma tibetana, tengrisma
Mogaly 3 000 000 India Avaratra, Pakistàna Silamo sonita
Dôngsiana 621 000 Kôntea Mizakatenan' i Dongxiang, Jishishan Bonan, Kôntea Mizakatenan' i Dongxiang sy Salar Silamo sonita
Môngoôra 290 000 Qinghai, Gansu Bodisma tibetana, tengrisma
Daora 132 000 Morin Dawa Daur Autonomous Banner, Meilisi Daur District Bodisma tibetana, tengrisma
Katsô >60 000? Kôtean' i Tonghai Bodisma tibetana
Sôgoô Ariga 40 000? Qinghai Bodisma tibetana, Bon
Môngôly Sisoana 29 000 Kôntea Mizakatenan' i Muli Tibetan, Kôntenan' i Yanyuan Bodisma tibetana
Bônana 20 000 Jishishan Bonan, Kôntea Mizakatenan' i Dongxiang sy Salar Silamo sonita, Bodisma tibetana
Hamnigana 10 000? Krain' i Zabaykalsky, Môngôlia Avaratra-Atsinanana, Hulunbuir Bodisma tibetana, samanismak
Iogora 6 000 Kôntea Mizakatenan' i Sunan Yugur Bodisma tibetana, tengrisma
Môgôly 2 000 Faritanin' i Herat Silamo sonita
Kangjia 2 000 Prefektiora Tibetana Mizakatenan' i Huangnan Silamo sonita

Ny fiteny môngôlika

Ny fiteny môngôlika dia fianakaviam-piteny any Azia Avaratra sy any Azia Afovoany. Matetika dia ampifanakaikezina amin' ireo fiteny torkika sy ireo fiteny tongoza ao amin' ny fianakaviambem-piteny altaika izy ireo nefa tsy miombon-kevitra ny amin' izany ny mpahay teny maro. Anisan' ny fiteny môngôlika ny fiteny môngôly (na môngôliana) izay tetenina ao Môngôlia sy ao Môngôlia Anatiny.

Ireto ny fiteny ao amin' io fianakaviam-piteny io:

  • fiteny bônana (mpiteny miisa 6 000)
  • fiteny boriata (mpiteny miisa 330 000)
  • fiteny dagora (mpiteny miisa 96 000)
  • fiteny kamnigana (mpiteny miisa 2 000)
  • fiteny kangjia (mpiteny miisa 1 000)
  • fiteny môgôly (fiteny maty)
  • fiteny môngôliana (mpiteny miisa 5,2 tapitrisa)
  • fiteny môngoôra (mpiteny miisa 150 000)
  • fiteny ôirata (anisany ny fiteny kalmika) (mpiteny miisa 360 000)
  • fiteny ôrdôsy (mpiteny miisa 123 000)
  • fiteny santa (Dongxiang) (mpiteny miisa 200 000)
  • fiteny sira iogora (mpiteny miisa 4 000)

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.