Devoly
From Wikipedia, the free encyclopedia
Remove ads
Ny Devoly, ao amin’ ny jodaisma sy ny kristianisma ary ny silamo, dia fanahy mifanohitra mandrakariva amin’ Andriamanitra sady mitaona ny olombelona hiala amin’ Andriamanitra. Amin’ ny fomba fijery teôlôjika, ny devoly dia heverina ho anjely nikomy tamin’ Andriamanitra, izay potraka sy nazera tety an-tany, ka mitaona sy manosika ny olombelona hanao ny ratsy. Indraindray ny devoly dia heverina ho mahaleo tena, nefa indraindray koa dia heverina fa Andriamanitra no mamela malalaka ny devoly haka fanahy ny olombelona ka hitaona azy amin’ ny ratsy.

Remove ads
Fiforona-teny
Ny teny nohagasina hoe devoly dia avy amin’ ny teny anglisy hoe devil, izay avy amin' ny teny anglisy tranainy kokoa hoe devel, izay avy amin’ ny teny anglisy tena tranainy hoe dēofol, ity indray dia avy amin’ ny teny latina hoe diabolus izay avy amin’ ny teny grika hoe διάβολος / diabolos. Ity teny grika ity dia avy amin’ ny matoanteny grika hoe διαβάλλω / diabállô, izay midika hoe "mampizara", "mampisaraka" na "manimba". Ny teny hoe diabolos izany dia midika hoe "mpampizara", "mpampisaraka", sns. Nenti-nandika ny teny hebreo hoe שָׂטָן / śāṭān, izay midika hoe "mpiampanga" na "mpifanadrina", io teny grika io.
Ny devoly dia mitsikilo ny ataon’ ny olombelona mba hiampangany azy amin’ Andriamanitra sady mba hisarahan’ ny olombelona amin’ Andriamanitra. Niitatra izany, noho ny laingany, ka sady fahavalon’ ny olombelona ny devoly no fahavalon’ Andriamanitra koa.
Remove ads
Araka ny jodaisma
Ho an’ ny sampana rabinika sasany, ny satana dia mifandray amin’ ny "fitaoman’ ny ratsy", dia ny Ratsy izay lasa persôna mahaleo tena. Izany fiheverana ny ratsy ho persôna izany dia mifandray amin’ ny finoana jiosy izay mihevitra fa ny olombelona dia voabaikon' ny hery ratsy izay tsy miankina amin’ ny sitrapony. Noho izany dia hita ao amin’ ny jodaisma sy ny fivavahana hafa fa ny olona dia mety "hitoeran' ny devoly" na hitoeran' ny fanahy eo ambany fifehezany, dia ny demony (anjely ratsy) maro. Ny devoly dia atao hoe menarana sy anjely potraka ary satana ao amin’ ny Baiboly hebreo.
Ao amin' ny Pentateoka
Ny menarana (hebreo: nahash) ao amin’ ny Genesisy no nampihinana an’ i Adama sy Eva ny voankazo voarara ka ny taranaky ny vehivavy dia voalaza fa hanorotoro ny lohany ary izy handratra ny ombelahintongotry ny zanaky ny vehivavy (Gen. 3:14-15).[1] Ny menarana eto dia tsy iza fa i Satana. Adikan' ny Kristiana ho i Jesoa na Jesosy izany taranaky ny vehivavy izany.
Araka ny bokim-pahendrena
Voalaza ao amin’ ny Bokin' i Joba ny amin’ i Satana (Job. 1.8-11)[2] izay navelan' Andriamanitra hampahory an' i Joba. Io boky io, sahala amin' ny Bokin' ny Genesisy, dia manohana fa i Satana fa tsy Andriamanitra no nahatonga ny ratsy.
Araka ny bokin' ny mpaminany
Miresaka ny amin’ ny anjely ratsy ny Bokin' i Isaia izay manamafy ny nahapotraka an' i Satana noho ny fitsiriritany hitovy amin’ Andriamanitra (Isa. 14.12-15)[3]. Ny Bokin' i Ezekiela dia heverin' ny sasany fa miresaka ny amin’ izany koa (Ezek. 28.13-16).[4] Torak'izany ny Bokin'i Zakaria (Zak. 3.1-2).[5]
Araka ny boky ara-tantara
Miresaka ny amin’ i Satana koa ny Boky voalohan' ny Tantara (1Tant. 21.1).[6]
Remove ads
Araka ny kristianisma
Amin' ny Kristiana, ny fisian’ ny olona sasany itoeran’ ny devoly dia famantarana ety ivelany ny fanjakan’ ny devoly izay mihatra amin’ ny olona rehetra. Niady amin’ i Devoly i Jesoa hatrany amin’ ny tany efitra (nakan’ ny devoly fanahy azy) ka hatrany Kalvary nanomboana ady tamin' ny hazofijaliana. Ny Kristiana dia mino fa ny fanomboana an’ i Kristy teo amin’ ny hazofijaliana dia nahatonga ny Devoly sy ny mpiara-dia aminy (ny demony) ho resy tanteraka.

Ny tena fehin’ ny finoana kristiana momba ny devoly dia izao: Ny fanjakan’ ny devoly amin’ ny olombelona dia azo antoka fa hifarana noho ny nahatongavan’ i Jesoa Kristy tety an-tany.
Araka ny evanjely kanônika
Ny resak’ i Jesoa hita ao amin' ny Filazantsara efatra dia maneho ny fananan’ ny olombelona safidy malalaka izay tokony hanaporofo ny fahadiovam-panahiny amin’ ny fisafidianana ny hiala amin’ ny fahotana hahatonga azy hanan-toerana any am-paradisa. Nefa misy hery roa izay misintona ny olombelona, dia ny nofo sy ny fanahy: ny nofo dia mitambatra amin’ ny fakàm-panahy sy ny fahotana ary ny devoly, fa ny fanahy kosa dia momba ny fahadiovam-po izay mitarika ho amin’ ny famonjena. Ny epistily kanônika dia manamafy izany (jereo doalisma).
Ao amin’ ny fivavahana kristiana, tahaka ny hita ao amin’ ny fivavahana jiosy, ny tsara sy ny ratsy dia tsy mitovy hery. Ireo anjely potraka (demony) sy ny lehibeny (Devoly) dia miezaka mampiely ny ratsy amin’ ny olombelona amin’ ny alalan’ ny fakàm-panahy nefa ho resy izy ireo amin’ ny farany. Zanaka ara-panahin' ny devoly ny olona tsy nanaraka ny tenin' i Jesoa (Jao. 8.42-44).[7]
Araka ny epistily kanônika
Amin’ i Paoly, i Satana dia ilay fahavalon’ ny olombelona, araka ny fahazoany ny hevitry ny Testamenta Taloha. Hita izany ao amin’ ny taratasy maro alefany (1Tes. 2.17-18.).[8]
Araka ny Apôkalipsin' i Joany
Amin’ ny fifanandrinana eo amin’ ny tsara sy ny ratsy, araka ny Apôkalipsin' i Joany (Apôk. 12.7-8),[9] ny devoly dia miseho amin’ ny endrika biby mahatahotra (dragona). Ao koa ny amin’ ny fanisan’ ilay Bibidia, dia ny isa 666 (Apôk. 13.18)[10] izay heverina fa manondro ny devoly nefa misy ny mivaofy izany amin’ ny fomba hafa.
Ny heverina ho fiasan' ny devoly na ny devoly miseho vatana
Ny Kristiana dia mihevitra fa ny devoly dia miseho vatana amin’ ny alalan’ ny olona na fikambanana na fanjakana izay lazainy fa fahavalon’ ny Fiangonana. Ny Empira Rômana, izay mpanejika voalohany ny kristianisma, dia noheverina fa tafiky ny demony. Ny devoly dia heverina ho tompon’ andraikitra tamin’ ny fivakisan’ ny Kristiana, dia ilay mpitarika ho amin’ ny finoan-diso sy fampianaran-diso (herezia) sy ireo fanompoam-pivavahana momba izany. Ny Gnôstika sy ny Bôgômila ary ny Katara dia nampangaina ho nanao fivavahana satanika.
Remove ads
Araka ny fivavahana silamo
Ny finoan’ ny Mozilmana momba ny devoly na satana dia misy itovizany amin’ ny finoan’ ny Kristiana sy ny Jiosy. Resahina ao amin’ ny Kor'any ny amin' ny atao hoe saitana (arabo: shayṭān raha tokana fa shayāṭīn kosa raha maro). Atao hoe Iblisy (arabo: Iblis) ny mpitarika azy ireo. I Iblisy anefa tsy anjely fa jiny (namboarina tamin’ ny afo), jiny tsara niova ho ratsy. Izy ilay hany zavaboary nandà tsy hiankohoka eo anatrehan’ i Adama.
Tany aloha, rehefa tsy nanao afa-tsy nampiely ny ratsy ny jiny ety an-tany, dia nirahin’ Andriamanitra i Iblisy (jiny tany an-danitra izay tena mpanoa an’ Andriamanitra tamin’ izay) sy ny mpanara-dia azy maro mba handringana ireo jiny ratsy ireo. Dia notanterahiny tokoa izany. Nefa tamin’ ny nahavitan’ Andriamanitra ny famoronana ny olombelona dia nasain’ Andriamanitra i Iblisy mba hiankohoka eo anoloan’ i Adama. Tsy nety niankohoka izy satria izy izay vita tamin’ ny afo, hoy izy, dia tsara lavitra noho i Adama izay namboarina tamin’ ny tany. Noho izany tsy fankatoavana an’ Andriamanitra izany dia voaroaka avy any an-danitra i Iblisy sy ny namany.
Nozonin’ Andriamanitra i Iblisy nefa navelany malalaka haka fanahy ny olona, toy ny nataony tao amin’ ny zaridainan’ i Edena rehefa avy noforonina i Eva (arabo: Hawwae). Ny ataon’ i Iblisy amin’ izao dia ny mamaly faty ny olombelona ka miezaka mitondra mandrakariva ny olombelona ho amin’ ny fakàm-panahy sady mitaona azy mba tsy hankatò an’ Andriamanitra tahaka azy.
Remove ads
Jereo koa
Loharano sy fanamarihana
Wikiwand - on
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Remove ads