Southern African Development Community
From Wikipedia, the free encyclopedia
Remove ads
Ny Southern African Development Community (SADC), amin' ny teny anglisy, dia fikambanana mikendry ny hampiroboroboana ny fiaraha-miasa ara-toekarena, sy ny filaminana ary ny fampandrosoana maharitra aty amin' ny tapany atsimo amin' i Afrika. Atao hoe Communauté de développement d'Afrique australe (CDAA) izy amin' ny teny frantsay. Tanjon’ io fikambanana io ny hampiroborobo ny firaisankinan' ny faritra eo amin' ny lafiny ara-toekarena sy ara-tsôsialy ary ara-pôlitika.


Ny SADC dia nipoitra avy amin' ny Southern African Development Coordination Conference (SADCC), natsangan' ny firenena afrikana sivy tamin' ny taona 1980 mba hampihenana ny fiankinan-doha amin' i Afrika Atsimo izay mbola nanjakan' ny fanavakavaham-bolonkoditra (Apartheid) tamin' izany fotoana izany. Tamin' ny taona 1992 dia niova ho SADC ny SADCC tamin' ny fihaonana an-tampony natao tany Windhoek ao Namibia. Tanjona lehibe maro no tratrarin' ny SADC. Anisan' izany ny firaisan-kina ara-toekarena izay tanterahina amin' ny alalan' ny fampirindrana ny pôlitika ara-toekarena sy ara-barotra, ny fanamorana ny fifampivarotana sy ny fampiasam-bola eo amin’ ny samy firenena mpikambana. Tanjona lehibe koa ny fandriampahalemana sy filaminana izay tratrarina amin' ny fampiroboroboana ny fitoniana ara-pôlitika sy ny fisorohana ny fifandonana ary ny fanohanana ny hetsika fampandrian-tany (ara-tafika sns). Ao koa ny fampandrosoana lovain-jafy izay tanterahina amin' ny alalan' ny fiaraha-miasa eo amin' ny sehatry ny fambolena, ny angovo, ny rano, ny fahasalamana ary ny fanabeazana. Tanjona kendrena koa ny fivezivezen' ny olona sy ny fahaiza-manao amin' ny fomba malalaka hananana mpiasa mahay.

Miisa 16 ny firenena mpikambana ao amin' ny SADC, dia ireto izany:Afrika Atsimo, Angôla, Bôtsoana, Esoatiny, Kômôro, Lesôtô, Madagasikara, Malaoỳ, Maorisy, Môzambika, Namibia, Repoblika Demôkratikan' i Kôngô, Seisely, Tanzania, Zambia ary Zimbaboe.
Andry efatra lehibe no mampiaina ny SADC, dia iretp izany: ny fihaonana an-tampon' ny filoham-panjakana sy ny filohan-governemanta, izay rafitra faratampony mandray fanapahan-kevitra; ny filankevitry ny minisitra izay manara-maso ny fampiharana ny pôlitika. ny sekretarià mpanatanteraka manana ny foibeny any Gaborone (Bôtsoana), izay miandraikitra ny fandrindrana andavanandro; ary ny fitsaran' ny SADC izay miantoka ny fanajana ny fifanarahana sy ny fitsipika.
Maro ny sehatra iasan' ny SADC ka ny lehibe amin' izany dia ny toekarena, izay miseho amin' ny alalan' ny fananganana tsena iombonana, ny fanatsarana ny fotodrafitrasa ao amin' ny faritra, ny fampandrosoana ny faritra indostrialy sy ara-barotra miampita sisintany. Ao koa ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono izay tanterahina alin' ny alalan' ny fandaharan' asa mikendry ny fahaleovan-tena ara-tsakafo sy ny fanjarian-tsakafo. Ny resaka angovo sy loharanon-karena voajanahary koa dia sehatra manan-danja ka tanterahina amin' ny alalan' ny tetikasam-paritra momba ny angovo avy amin' ny rano sy ny herin' ny masoandro ary ny rivotra. Sehatra imasoana koa ny fahasalamana, indrindra fa ny ady atao amin' ny VIH/SIDA, ny toberkilôzy, ny tazomoka, ny tazovony, ny dengy, sns. Tsy ataony ambanin-javatra ny fitaterana, izay miseho amin' ny alalan' ny fametrahana lalana lava isan-karazanay ho an' ny fitaterana: arabe, lalamby, seranam-piaramanidina ary serana-tsambo mampifadray firenena maro. Ampiroboroboina koa ny sehatry ny fifandraisana sy ny fifandraisan-davitra.
Mbola betsaja anefa ny olana atrehn' ny SADC: ao ny tsy fitoviana ara-toekarena eo amin' ny samy firenena mpikambana, ny fiankinan' ny toekaren' ny firenena sasany amin' ny fanondranana akora fanodina, ny disadisa ara-pôlitika anatiny any amin' ny firenena sasany, ary ny fahasarotan' ny fampiharana ny pôlitika iombonana amin' ny fomba mitovy.
Remove ads
Tarehimarika sy filaharana
- Fandraisana anjara ara-barotra (Intégration commerciale/Trade Integration)[1]
- Famokarana (Intégration productive / Productive Integration)[1]
- Namibia
- Esatiny
- Lesôtô
- Afrika Atsimo
- Bôtsoana
- Zambia
- Angôla
- R D Kôngô
- Malaoy
- Maorisy
- Seisely
- Madagasikara
- Tanzania
- Môzambika
- Zimbaboe
- Kômôro
- Toe-karena nomerika[2][3]
- Afrika Atsimo (~ 0,589)
- Maorisy (0,584)
- Seisely (0,516)
- Esoatiny (0,422)
- Tanzania (0,414)
- Bôtsoana (0,411)
- Zimbaboe (0,390)
- Namibia (0,381)
- Lesôtô (0,380)
- Zambia (0,351)
- Malaoy (0,348)
- Madagasikara (0,301)
- Angôla (0,299)
- Môzambika (0,292)
- R D Kôngô (0,278)
- Kômôro (0,250)
- Fampandrosoana ny maha olona (Développement humain / Human Development Index)[4]
- Maorisy (HDI ≥ 0.700)
- Seisely (HDI ≥ 0.700)
- Bôtsoana (HDI ≥ 0.700)
- Afrika Atsimo (HDI ≥ 0.700)
- Namibia (0.600 ≤ HDI < 0.699)
- Esoatiny (0.600 ≤ HDI < 0.699)
- Zambia (0.500 ≤ HDI < 0.599)
- Angôla (0.500 ≤ HDI < 0.599)
- Zimbaboe (0.500 ≤ HDI < 0.599)
- Kômôro (0.500 ≤ HDI < 0.599)
- Tanzania (0.500 ≤ HDI < 0.599)
- Madagasikara (0.500 ≤ HDI < 0.599)
- Lesôtô (0.500 ≤ HDI < 0.599)
- Malaoy (HDI < 0.500)
- Môzambika (HDI < 0.500)
- R D Kôngô (HDI < 0.500)
- Fahitana kolikoly (Indice de perception de la corruption / Corruption Perceptions Index)
Remove ads
Jereo koa
Loharano sy fanamarihana
Wikiwand - on
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Remove ads