Foko eto Madagasikara
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny foko eto Madagasikara dia vondron' olona iray faritra iaviana eto Madagasikara, nanana fandaminana ara-pôlitika niraisany na nitoviany tamin' ny vanimpotoana faha mpanjaka, manana ny fomba fitenenany ny teny malagasy izay atao hoe "fitenim-paritra", sns. Tsy misy famaritana tokana eken' ny maro ny hoe foko ka tsy fantatra noho izany ny tena isan' ny foko eto Madagasikara izay tsy nitsaha-nivoatra nandritra ny tantara. Mahazatra ny maro, indrindra fa nanomboka tamin' ny fanjanahan-tany frantsay, anefa ny miteny hoe "foko valo ambin' ny folo" na dia tsy mifanandrify amin' ny tena marina ara-tantara izany.
Ireto ireo ireo foko ireo: ny Antankarana sy ny Betsimisaraka ary ny Tsimihety ao avaratra, ny Antambahoaka sy ny Antefasy sy ny Antemoro sy ny Antesaka sy ny Tanala ary ny Zafisoro ao atsinanana, ny Tandroy sy ny Tanosy ary ny Mahafaly ao atsimo, ny Sakalava sy ny Masikoro ary ny Makoa sy ny Vezo ao andrefana, ny Merina sy ny Sihanaka sy ny Bezanozano sy ny Betsileo sy ny Zafimaniry ary ny Bara ao afovoan-tany.