Tontolo iainana eto Madagasikara

From Wikipedia, the free encyclopedia

Tontolo iainana eto Madagasikara
Remove ads

Ny tontolo iainana eto Madagasikara dia ny vondron' ny zavamananaina sy ny toerana misy azy eo amin' ny tontolo voajanahary eto Madagasikara. Misedra olana anefa izany tontolo iainana izany. Nisaraka tamin' i Afrika efa 100 tapitrisa taona mahery, ny nosy Madagasikara ka lasa nonenana biby sy zavamaniry tsy hita any amin' ny toeran-kafa: eo amin' ny 85 % amin' ny karazan-javamaniry ary 90 % amin' ny karazam-biby eto Madagasikara no tsy hita any amin' ny faritra hafa maneran-tany.

Thumb
Valan-javaboarim-pirenen' Isalo
Remove ads

Zavamananaina

Ny fandripahana ala, izay olana lehibe eto amin' ny Nosy, dia mamparefo izany zavamananaina miavaka eto amin' ny Nosy izany - 80 % amin' ny biby an-tanety malagasy no miankina tanteraka amin' ny tontolo iainana anaty ala. Ny Fikambanana Iraisam-Pirenena ho an' ny Fitahirizana ny Zavaboary (frantsay: Union internationale pour la conservation de la nature -- UICN) dia nanisa, tao amin' ny lisitra menan' ny karazan-javamaniry sy biby atahorana ho lany tamingana tamin' ny taona 2006, fa karazana miisa 805 (biby sy zava-maniry) no tandindomin-doza.

Zavamaniry

Thumb
Ravinala

Ny 21,9 % amin' ny velaran' i Madagasikara (13 tapitrisa ha) fotsiny no misy ala. Ankoatry ny faritra rakotra ala any avaratra, dia efa ala naniry taty aoriana no sisa (simba ny ala voalohany).

Ny morontsiraka andrefana dia ahitana ala honko, izay hita koa tsindraindray any amin' ny morontsiraka avaratra-atsinanana sy atsimo-atsinanana. Ny fatrana no manjaka any amin' ny faritra andrefana izay maina ary ny zavamaniry misy tsilo an-tany efitra no mandrakotra ny faritra atsimo-andrefana amin' ny Nosy.

Thumb
Zaha

Ny zava-maniry malagasy isan-karazany (izay misy karazany miisa 8 500 hatramin' ny 12 000 arakaraka ny tombana), indrindra fa misy karazana ôrkidea maherin' ny 1 000, ary 6 amin' ireo karazana zaha (na reniala) miisa 8 fantatra maneran-tany. Ny ravinala (Ravenala madagascariensis) sy ny alamboronala na monongo (Delonix regia), izay ambolena manerana ny faritra mafana amin' izao tontolo izao, dia avy aty Madagasikara.

Biby

Thumb
Argema mittrei

Tombanana ho 100 000 mahery ny karazana bibikely sy ny kankana eto Madagasikara. Ny bibikely dia fantatra fa misy karazana 850 mahery, izay saika tsy fahita firy ivelan' ny Nosy. Amin' izy ireo, ny lolo dia misy karazana manakaiky ny 400. Eto Madagasikara no ahitana ny lolo iray tsy fahita firy eto an-tany, dia ny lolo atao amin' ny anarana ara-tsiansa hoe Argema mittrei, mirefy 15 sm ny fivelatry ny elany roa.

Thumb
Trozona

Ny morontsiraka sy ny haran-dranomasina dia fonenan' ny bibin-dranomasina isan-karazany. Amin' ny karazana trondro maro, ny sasany dia misy poizina, toy ny trondro atao hoe Synanceia verrucosa sy Pterois volitans, izay mampiavaka ny ranomasina ao amin' ny Ranomasimbe Indiana sy Pasifika. Misy maro ny antsantsa, indrindra fa ny Carcharias taurus, ny Stegostoma fasciatum, ny Carcharhinus perezii ary ny Rhinobatidae. Manomboka amin' ny volana Jolay ka hatramin' ny Ôktôbra dia tonga miteraka tsy lavitra ny morontsirak' i Nosy Boraha (Sainte-Marie), ny karazana trozona Megaptera novaeangliae, isan' ireo toeram-piterahan' io karazana hazandrano io.

Thumb
Dona

Maherin' ny 250 ny karazana biby mandady sy mikisaka eto Madagasikara,izay tsy misy any ivelany ny 95 % aminy. Ireo biby ireo dia ahitana karazana bibilava 60 eo ho eo (anisan' izany ny karazana dona 3, anisan' izany ny Acrantophis madagascariensis, toy ny katsatsaka (Gekkota) karazany 60 sy karazana tanalahy (Chamaeleonidae) eo amin' ny 50, anisan' izany ilay farany kely (Brookesia minima) izay tsy mihoatra ny 3,5 sm ny halavany. Ny voay hany hita eto amin' ny Nosy dia ny voay Crocodylus niloticus izay be mpihaza ka lasa tsy fahita firy. Ny sahona sy saobakaka dia misy karazana 180 eo ho eo, ka 98 % dia tsy misy afa-tsy eto Madagasikara.

Karazana vorona 260 eo ho eo no fantatra fa misy eto Madagasikara, anisan' izany ny Phaethon rubricauda.

Thumb
Hira
Thumb
Fosa

Misy karazana sy zana-karazana 150 eo ho eo ny biby misy nono. Tsy misy sakabe toy ny tigra na ny pleôparda (Felinae) na rajako ny eto amin' ny Nosy. Ny karazam-barika misy eto dia samy atahorana ho lany tamingana: ny haihay (Daubentonia madagascariensis), ny babakoto na endrina (Indri indri), ny hira (Lemur catta) sy ny maky isan-karazany (Lemuridae) - izay tena miely patrana -, ny tsidiala (Allocebus trichotis), ny tsidika (Cheirogaleus milii), ny tsitsihy (Cheirogaleus major), ny matavirambo (Cheirogaleus medius) ary ny tsidy isan-karazany (Microcebus), izay anisan' ny kely indrindra eto an-an-tany. Ny fosa, izay biby mpivoaka alina, dia anisan' ireo biby tsy fahita afa-tsy eto amin' ny Nosy.

Remove ads

Fahasimban' ny tontolo iainana

Thumb
Doro tanety any Manantenina

Ny fikao-tany noho ny fandripahana ala be loatra any afovoan-tany dia miteraka lavaka lalina eo amin' ny tanimena izay sisa navelan' ny fanjavonan' ny tany mahavokatra.

Thumb
Fikao-tany eto Madagasikara

Mampanahy ny faharipahan' ny ala vokatry ny fitrandrahana hazo hatao fanaka sy fanorenana ary fandrehitra (kitay sy arina), ary ny fambolena amin' ny hatsaka na tavy azo avy amin' ny fandoroana, ka tombanana ho 128 000 hatramin' ny 300 000 ha ny ala rava isan-taona.

Remove ads

Kolikoly mahakasika ny harena voajanahary

Olana maro rantsana sy lalim-paka ny kolikoly mahakasika ny sehatry ny harena voajanahary eto Madagasikara izay miseho amin' ny fomba maro samihafa[1].

Fitrandrahana sy fanondranana an-tsokosoko tsy ara-dalàna

Thumb
Fitrandrahana andramena tsy ara-dalàna any avaratra

Nahitana fitrandrahana tsy ara-dalàna lehibe ny andramena (Dalbergia), izay karazan-kazo saro-bidy eto Madagasikara. Ny tambajotran-jiolahy, izay matetika misy firaisana tsikombakomba amin' ny mpitondra ara-pôlitika sy ara-pitantanana, dia manao fanapahana hazo tsy ara-dalàna any amin' ny valan-javaboarim-pirenena, manao hosoka amin' ny antontan-taratasy (fahazoan-dalana, taratasy fanamarinam-piaviana) ary manome tsolotra ny tompon' andraikitry ny fanaraha-maso ny ala sy ny fadin-tseranana mba hanamora ny fitaterana, indrindra mankany Azia.

Miavaka ny fitrandrahana harena an-kibon' ny tany madinika, izay matetika tsy ara-dalàna, noho ny fitrandrahana baranahiny, ny tsy fanarahana ny fenitra ara-tontolo iainana sy ara-tsôsialy, ny fanondranana an-tsokosoko ary ny kolikoly. Misy ny fahazoan-dalana hitrandraka azo amin' ny hosoka, ny fanambaràna diso (kely) atao momba ny habetsaky ny harena an-kibon' ny tany voatrandraka sy ny vola miditra, mba hampihenana ny hetra na hialana amin' izany, ary misy tsolotra omena mba hahatonga ny tompon' andraikitra hanakipy maso amin' ny asa tsy ara-dalàna na amin' ny fitrandrahana any amin' ny faritra arovana.

Endrika kolikoly hafa ny fanondranana an-tsokosoko ny karazan-javamaniry sy ny karazan-biby arovana, toy ny sokatra (radiata, angonoka), ny varika sy ny sifaka, ny tanalahy, ny vorona ary ny zavamaniry tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara. Mamoaka fahazoan-dalana hosoka ahafaha-manao fanondranana tsy ara-dalàna ny tompon' andraikitra mpanao kolikoly, ka manamora ny fivezivezen' ny entana miampita sisin-tany. Misy koa ny tompon' andraikitra mpanao kolikoly izay manome vaovao ny mpanondrana tsy ara-dalàna momba ny paikadin' ny fanaraha-maso.

Kolikoly eo amin' ny mpitantan-draharaha

Etp Madagasikara, ny tsolotra sy ny fanomezana tombon-tsoa na ny fampanantenana fanomezana tombontsoa dia azo ampiasaina mba hanomezana fahazoan-dàlana hahafahana mitrandraka harena an-kibon' ny tany na hazo, na hahafahana misahana raharaham-panjonoana, izay tsy manaja ny fomba fiasa ara-dalàna na ny fanadihadiana ny fiantraikany amin' ny tontolo iainana na ny fifampidinihana amin' ny mponina eny ifotony. Ny kolikoly dia mety hanodinkodina ny tolo-bidy ho an' ny tetikasa mahakasika ny harena voajanahary (fanamboaran-dalana, fitrandrahana hazo), miaraka amin' ny orinasa manome tsolotra hahazoana fifanarahana, ka manohintohina ny fifaninanana sady miteraka fandaniana fanampiny ho an' ilay orinasa.

Mety ho voatsolotra ny mpiasam-panjakana misahana ny fanaraha-maso ny fitrandrahana harena voajanahary (inspektera ao amin' ny sampandraharaha misahana ny harena an-kibon' ny tany, ny ala na ny fadin-tseranana) mba hanakipy maso amin' ny asa tsy ara-dalàna, mba hampitandrina ny mpanao fanondranana tsy ara-dalàna amin' ny fanaraha-maso mananontanona na hanao hosoka amin' ny tatitra momba ny fisafoana nataony. Azon' ny tompon' andraiki-panjakana mpanao kolikoly ahodinkodina ny vola azo avy amin' ny fitrandrahana ny harena voajanahary (hetra, sns), amin' ny alalan' ny kaontim-banky any ivelany, ny famoahana faktiora midangana loatra na ny faktiora sandoka, mba tsy handoavana ny vola tokony haloa any amin' ny kitapom-bolam-panjakana izay tokony hampiasaina amin' ny fampandrosoana ny firenena.

Afaka mitana anjara toerana lehibe eo amin' ny fahafaha-mitrandraka harena voajanahary eto Madagasikara ny fahitahitana ara-pôlitika sy ny fatoram-pianakaviana, ka mahazo tombony tsy ara-drariny ireo akaiky ny fitondrana.

Remove ads

Jereo koa

Loharano sy fanamarihana

Loading related searches...

Wikiwand - on

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Remove ads